Day: 3 juin 2014

Tanà : Miparitaka ny henan’alika !

Efa nisy ny voasambotra, toa ny tetsy Ambohibao izay saika maty nodarohin’ny olona, saingy mbola misy ihany koa ny sahy. Vonoina ny alika dia volosana ohatra ny akoho ary amidy ny henany. Porofo mivaingana ity sary izay nalain’ny olona tetsy Ambatonakanga ity ary nozaraina tamin’ny tambajotra sosialy. Eo am-pamolosana alika ireo lehilahy roa manao kasikety…

Ny alahady teo, olona dimy no fantatra fa narary mafy vokatry ny fihinanana zavatra miendrika sira tanaty fonosana notsimponina teny amin’ny fanariam-pako teny Mangatokana Antanimalandy, tany Mahajanga. Maty anefa ny roa tamin’izy ireo fotoana vitsy taorian’ny nihinanany an’ilay zavatra. Fasam-bahoaka, tobim-panariam-pakon’ny Kaomina, sy fanarian’ireo orinasa mpikirakira drakaka ny vokatr’izy ireo simba, no tena ahafantarana ny…