Day: 10 juillet 2014

Tamin’ny fisafoana nataon’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-3 teny amin’ny faritr’Andravohangy tsena no nahasamborana mpanendaka iray sy mpivarotra rongony. Izao hetsika izao dia voalaza fa fomba entina miady amin’ny tsy fandriampahalemana misy eny an-toerana, hatreny Ambodivoana. Saika isan’andro mantsy, araka ny vaovao hatrany, dia misy olona mitondra faisana hatrany amin’ny hafitsoky mpanendaka sy ny…

Teratany vahiny no tompon’antoka amin’ny famarotana ireny rongony maherivaika ireny eto amintsika. Hita tokoa amin’izao fa efa miparitaka eto amintsika ny zava-mahadomelina. Ary tsy mianona fotsiny amin’ny rongony maivana intsony fa efa tonga hatrany amin’ny zava-mahadomelina maherivaika, toy ny “cocaine” mihitsy. Ny talata lasa teo ary, lehilahy iray, teratany malagasy, antsoina hoe RC, 30 taona,…