Nimenomenona ny olona, indrindra ireo mpitondra fiara. Ny antony, noho ny fisian’ny tsatoka teny am-povoan-dàlana ny alin’ny alarobia teo. Marobe ny kodiarana vaky vokatr’izany. Amin’ny alim-be avy nivavaka ny maro no voatery nijanona ary nanolo kodiarana. Ireo izay tsy nanana kodiarana fanolo kosa dia voatery natory teo an-toerana ary niandry maraina vao nitady mpanamboatra an’izany.…