Day: 11 septembre 2015

Ao anatin’ny ady ataon’ny polisy amin’ny fidorohana rongony sy araka ny baikon’ ny lehiben’ny fampanovana, dia mitohy ny hetsika ataon’ny polisy mikasika izany ka ny talata teo dia mpifoka rongony 05 ka iray vehivavy sy mpivarotra izany izay renim-pianakaviana, no sarona tao Ambalamanasy “carreau I”. Fonosana rongony 21 milanja eo amin’ny 02 kgs teo no…

Vehivavy iray sahabo ho 45 taona, voatondro ho mpamosavy, nandihindihy teo an-tokonam-baravaran’olona alimbe no naratra mafy vokatry ny daroka sy vono nahazo azy, ary saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibe mihitsy raha nisy kely, afak’omaly, tao Ampasikibo Toliara. Taitra tamin’ny torimasony ny raim-pianakaviana iray tao an-tranony raha nahare feo hafahafa tany an-tokotaniny. Namoha ny zanany lahy roa…