Day: 7 novembre 2015

Ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo no nitrangan’ilay fandrobana tranon’olona. Jiolahy tsy latsaky ny telo no namaky ny trano iray tao Anosizato. Vitan’izy ireo tsara izany ary tsy nisy na inona na inona henon’ny tompon-trano. Efa nivoaka teny amin’ny làlana izy ireo no nifanehitra tampoka tamin’ny andrimasom-pokonolona izay nanao ny fisamborana avy hatrany. Sarona avokoa…

Hetsika Fahalemana : Dahalo an-jatony no maty voatifitra

Roa volana sy tapany eo izay no nisian’ny hetsika Fahalemana, tany amin’iny tapany Avaratra sy Atsimon’ny Nosy iny, nataon’ireo miaramilan’ny Tafika Malagasy. Tao anatin’izay fotoana maromaro izay, araka ny fampitam-baovao azonay, dia nahatratra an-jatony maro ireo dahalo maty voatifitra, roapolo mahery any ho any kosa ny naratra ary tafakatra 60 mahery tany ho any ireo…