Day: 19 janvier 2016

Vokatry ny fivangongoan’ny fako manempotra sy ny fiparitahan’ny loto etsy sy eroa dia mandodom-baravarana eto Andrenivohitra ny  pesta. Raha araka ny vaovao voaray dia zazalahy 10 taona no matin’ny pesta tao amin’ny fokontany Miadapaonina, kaominina Mahitsy, Distrikan’ Ambohidratrimo, ny alakamisy naraina teo, tany ho any amin’ny 5 ora. Tao amin’ny hopitaly Bejofo no niseho izany…

Volontariat américain : Le DG de Peace Corps dans nos murs

Carrie Hessler Radelet, 19e directeur mondial du Corps de la Paix, est actuellement en visite à Madagascar. Ce déplacement marque effectivement sa première visite dans la Grande Ile. Après son arrivée à l’aéroport international d’Ivato, elle s’est tout de suite rendue dans le village de Mantasoa, le lieu de formation des stagiaires du Peace Corps…

Noho ny asan-dahalo tsy ahitam-panafana dia mandry andriran’antsy ny ankamaroan’ny mponina amina faritra maro eto amintsika, indrindra amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy iny, ary tsy mifidy asiana intsony ireo fahavalom-bahoaka, fa hatramin’ny mpandevina lasibatra. Ny asabotsy teo, tany amin’ny distrikan’i Sakaraha, fianakaviana iray avy nandevina ka hamonjy fodiana nandeha sarety roa no notafihin’ny dahalo miisa folo…

Lehiben-dahalo iray antsoina hoe : Sahala Rahafahatelo, fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe : « Komandà » no maty rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana tany amin’ny Distrikan’i Manandriana. Raha araka ny vaovao voaray dia nanafika tao Ambohimilanga ny dahalo  50 lahy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika, rehefa avy niantso an-telefaonina ny lehiben’ny fikambanana fandriampahalemana ao an-toerana, ny alakamisy…

Asa  fanaovan-gazety eto Mahajanga : Nijoro ny OJM faritra manoloana ireo fampihorohoroana samihafa

Tsy vao androany fa efa  matetika ny fampihorohoroana mpanao gazety eto Mahajanga. Ireo rehetra izay tsy mahazaka ny famoahana ny marina dia saika lasa manangam-pahavalo ny mpanao gazety avokoa. Manomboka eo ny ramatahora. Mandeha hatramin’ny fandrahonana samihafa satria voatohintohina ny amin’ny tsy mety ataony ny sasany. Misy mihitsy aza moa ny hafa no manao farateny…

Noho ny resaka kolikoly ataon’nya mpitandro filaminana sasany zatra ny lalan-dririnina; izay voalaza fa mampirongatra ny asan-dahalo sy asa ratsy any amin’ny kaominina Beraketa, Distrikan’i Bekily, dia mihenjan-droa ny tady eo amin’ny ben’ny tanàna Jaomila Pelthin sy ireo ampahana zandary miasa any an-toerana. Raha ny nambaran’ity Ben’ny tanàna ity tamin’ny mpanao gazety, dia vain-dohan-draharahany ny…