Day: 1 février 2016

Tovolahy iray, manodidina ny 18 taona eo ho eo no namoy ny ainy, natelin’ny ranon’Ikopa, omaly hariva tetsy Andohatapenaka. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no nosintonin’ireo mpamonjy voina tao Ikopa, ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity. Araka ny nambaran’ireo olona teny an-toerana dia saika hamonjy ny namany, nitsoraka tao Ikopa ity tovolahy ity. Izy…

#- Sainte Marie. Vazaha hita faty nihantona tao an-tranony. Lehilahy, teratany frantsay iray, manodidina ny 50 taona teo ho eo no hita faty, ny zoma maraina lasa teo, tany Ravoraha, Sainte Marie. Nihantona sy nikorakoza tamin’ny tady tao an-tranony ity teratany vahiny ity. Raha ny fampitam-baovao azo dia toa hoe namono tena ity lehilahy ity.…

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no nitranga tamin’iny lalan’i By-pass iny, ny sabotsy alina lasa teo, teny Ambohimangakely. Fiara kely, marika “Golf type 4”, no nifatratra tany ambanin’ny kamiô “remorque” iray teny an-toerana. Vokany maty tsy tra-drano ilay mpamily an’ity fiara kely ity. Naratra mafy kosa ireo olona telo hafa tao anatin’ilay fiara. Kamiô nijanona teo an-tsisin-dalana…

Nisehoana fifandirana niafara tamin’ny fifamonoana tany amin’iny faritra Morondava iny, ny zoma lasa teo. Vokany: mpivarotra omby roa no maty nifampitifitra. Tao Analaiva no nisehoan’ity tranga ity nandritra ny andro tsena. Nifamaly noho ny antony tsy fantatra hatreto ireto mpivarotra omby ireto. Tonga hatrany amin’ny fikasihan-tanana mihitsy izany. Raha ny vaovao avy any an-toerana dia…

Nisahotaka ny vahoakan’i Behazomanga, kaominina ambanivohitra iray any amin’ny distrikan’i Bekily, fa nosamborin’ny zandary ny ben’ny tanànan’izy ireo, ny alarobia lasa teo, fa hoe tsy nandray andraikitra nanoloana ny herisetra nandratran’ny fokonolona fianakaviana mpivaro- mandeha iray voaendrikendrika ho mpangala-jaza. Raha ny vaovao voaray dia sendra nandalo tao Behazomanga niaraka tamin’ny fiara nitondra azy ireto fianakaviana…

Exceptionnellement, la justice malgache peut faire preuve de célérité. C’est le cas notamment dans cette affaire où une employée d’une grande entreprise minière avait été  licenciée avec préavis pour violation  des règles de confidentialité. En effet, la dame en question a divulgué des informations confidentielles et a été renvoyée. Devant la véracité des faits qui lui ont…