Day: 20 mai 2016

Namoa-tsampona indray ny fifamoivoizana an-drenivohitra. Renim-pianakaviana iray indray no niharan-doza voadonan’ny fiara tsy mataho-dàlana iray, teny Andraharo, ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny loza, dia nirava avy niasa izy no izao niharan-doza izao. « Avy niasa izy, nandeha niampita handray « taxi-be » hodiana izy no izao voadonan’ny 4×4…

Tapaka ny làlana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ny alahadin’ny Pentekosta teo ao amin’ny kaominina Beforona distrikan’i Moramanga noho ny fitokonana nataon’ireo fokonolona teo amin’io Kaominina io sy ny manodididina. Ny antony, dia noho ny fitakian’izy ireo ny famoahana lehilahy iray avy ao an-toerana; izay nosamborin’ny zandary vao mangiran-dratsin’ny alahady io ihany. Ity farany izay niezaka…

Miverina indray ny fanakan-dàlana eny amin’ireny lalam-pirenena ireny. Ny talata lasa teo, fiarabe nitatitra mpiantsena no lasibatry ny jiolahy  10 samy nirongo basy teny amin’iny lalam-pirenana faha-4 iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ikalamilotra, ao amin’ny kaominina Berivotra, niaraka tamina taxi-brousse iray, ho any Port-Berger. Toerana tsy lavitra an’i Maevatanana. Vokany, vola teo amin’ny 10…

Une trentaine de techniciens issus des différents ministères tels que l’Environnement, le Tourisme, la Planification, l’Agriculture, l’aménagement du Territoire et la Pêche suivent une formation prodiguée par le programme de biodiversité au sein de la Commission de l’Océan Indien dans le cadre d’un atelier sur la comptabilisation du capital naturel qui s’est tenu hier au…

# – Ankadifotsy. Mihaodihaody indray ny « bande des huit ». Omaly hariva efa nanomboka ho maizina, nahamarika ny mponina eny Ankadifotsy sy ny manodidina, fa hita misy an-dian’olona mihaodihaody indray eny amin’iny faritra iny sy ny manodidina. Raha vao misy ny zavatra mampiahiahy sahala amin’ izao dia miverina avy hatrany ao an-tsain’ny mponina ny fisian’ireo andian-jiolahy…

Fifamaliana niafara hatrany amin’ny famonoana ho faty mihitsy. Izay no nitranga tany amin’iny faritra Anjozorobe iny, ny herinandro lasa teo. Rangahy iray no maty tsy tra-drano rehefa  natosik’ ity lehilahy nifamaly taminy ka nianjera avy teny amin’ny tohatry ny tranony, tao Ambatovaky, Antanetibe, kaominina Beronono. Raha ny vaovao azo, dia fifamaliana teo amin’ny roa tonta…