Day: 9 août 2016

Ny faha-8 aogositra teo, tokony ho taminn’y 1 ora sy sasany maraina, zandary iray nivoaka nivalan-drano no maty notifirin’olon-tsy fantatra tany amin’ny toerana antsoina hoe Antanimbary, kaominina Morafena, any amin’ny disitirikan’i Manja any Menabe. Zandary efatra avy ao amin’ny borigady Marerano no nanatontosa iraka tany Marerano. Nivoaka ny trano ny iray antsoina hoe Rakotozandry Tovonirina…

Nanaovan’ny olona angaredona teny an-tsena ilay mpitarika fivavahana ao amin’ny fiangonana iray ao  Bejofo-Mahitsy. Ny anton’izany dia noho ny fahatrarana azy nampirafy tamin’ny vehivavy iray izay monina ao amin’io tanàna io ihany. Ilay rangahy anefa, efa manana vady aman-janaka, raha araka ny fitantaran’ny vavolombelona izay monina ao an-toerana ihany. Samy nanala ny fony teo ny…

Tsy niandry ela fa omaly ihany dia naneho ny heviny i Tiana Jeannick Esperance, ilay nandrombaka ny lalao kopikolé noho ny fitovizany tarehy sy fihiràna tamin’ny mpanakanto Black Nadia. Izany dia taorian’ilay fampisehoana tokony niakaran’i Black Nadia an-tsehatra tao Sahasinaka-Ikianja.  Tezitra anefa ny olona satria tsy io farany no tonga tao fa vehivavy iray izay…