Day: 10 décembre 2018

Ny tendrom-po tokoa tsy mba namana. Tovolahy iray no nosamborin’ny mpitandro filaminana tany amin’iny kaominina Tsarasaotra, distrikan’ Anjozorobe, ny sabotsy lasa teo, noho ny resaka famonoana olona. Ary tsy iza eto ilay olona novonoiny fa ny rainy ihany. Araka ny angom-baovao azo tokoa, dia adin’ny mpivady tsotra no niandohan’izany. Nihanitombo ny fifamaliana ary saika niafara…

Niampy iray indray ireo jiolahy, tsy ho afa-manohy intsony ny asa ratsiny nampikaika ny mponin’Itaosy sy ny manodidina iny. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo mantsy, dia olon-dratsy iray no maty rehefa voatifitry ny pôlisy mpanao fisafoana, teny Andranonahoatra. Iray hafa kosa, naman’ity namoy ny ainy ity no azo sambo-belona. Miezaka hatrany tokoa ireo pôlisy…