Dahalo enimpolo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika ny an-tamponin’ny tanànan’ Ikelivaona, 45 kilometatra avaratr’i Betroka. Lasibatr’ireo dahalo tamin’izany ny tranon’ny lefitry ny PDS. Nilefa ny lefitry ny PDS raha vao nahita ireo dahalo, ka tamin’izany no nahafetesana olona roa tao an-tranony, dia ny vadin’ny tompon-trano sy zanany vavy kely 10 taona, sy iray hafa…