Day: 31 décembre 2019

Les syndicalistes du SAMVA promettent une manifestation conséquente ce jour. « Une suite logique de ce qui a été initié hier et qui entend permettre des retours favorables de la part des responsables auprès du Service Autonome de Maintenance de la Ville d’Antananarivo », si l’on s’en tient aux dires d’Ignace Razafindrafidy, syndicaliste auprès de l’organisme joint…

Ny alatsinainy teo tao amin’ny lakazerin’ny mpamonjy voina sy hain-trano eto Toamasina, no natao ny famoahana teo ambany faneva ireo mpamonjy voina sy hain-trano vaovao miisa 44 mianadahy nampitondraina ny anarana “santatra” izay niofana nandritra ny 03 volana. Nitso-drano azy ireo tamin’izany ny PDS-n’ny kaominina, Atoa Razafimanana Jean Christian. Ny sampana mpamonjy voina sy hain-trano…

Ny sabotsy lasa teo no tonga soa  aman-tsara tany amin’ny tany niaviany, tany Ambilobe, ny nofo mangatsiakan’ilay zandary kilasy voalohany, maty voatifitry ny dahalo tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. « Tao anaty alahelo tokoa no nanatontosàna ny fanaovam-beloma sy fampakarana laharam-boninahitra an’ i Tompokolahy G1C AMBY Noé Cyris, tao Ambilobe ». Nitarika ny fotoana tamin’izany ny Lefitry ny…

Nanomboka ny 24 desambra teo izy no tsy hita izay nalehany ary efa nanomboka nifampitadiavina. Raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana dia nisy olana teo amin’ny fianakavian’ity lehilahy ity. Izany dia mahakasika ny vehivavy iray noeritreretiny hampakarina ho vady. Tsy nety tamin’ny fianakaviana anefa io andriambavilanitra io, raha araka ny loharanom-baovao hatrany.…