Day: 4 février 2020

Tao Fenerivo atsinanana tampon-tanana no nanaovana ny lanonana fametrahana samboady ireo ben’ny Tanana vaovao tao amin’ny distrikan’i Fenerivo atsinanana ny sabotsy 01 febroary misandratr’andro teo. Ben’ny Tanana 13 no nametrahana ny samboady ny sabotsy io raha mbola mifanolana eny amin’ny fitsarana fandravana ny filan-kevim-panjakana ireo ben’ny Tanana roa lahy mitarika avy ao Betampona. Tamin’ny lahateniny…

Mitohy hatrany ny tambajotra  halatra kaontenera eo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina ankehitriny. Tambajotra ahitana ny avy eo anivon’ny fadintseranana, ny orinasa Mictsl, ary ireo orinasa mpisahana ny famoahana entana sy orinasam-pitaterana amin’ny fiara vaventy. Nahatratra olona sivy no tao anatin’izany tambajotra mpangalatra kaonterena izany ny ladoany amin’izao, ka mpiasan’ny fadintseranan sy ny orinasa Mictsl avy ny…

Fitombokasem-panjakana hosoka mahatratra hatrany amin’ny 250 isa izay voalaza fa saika mahasahana ny ankamaroan’ireo biraom-panjakana eto Madagasikara, niaraka tamina taratasim-panjakana hosoka maromaro sy rongony roa lasaka kely, no saron’ny polisy tao amin’ity tokatrano iray teny amin’iny faritra Anosizato Atsinanana iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Olona efatra no voasambotra tamin’izany : ny iray tompon’ireo fitaovana, ny…