Day: 27 juin 2020

RN1 : Raim-pianakaviana maty, may niaraka tamin’ny motony

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no nitranga tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny ny alakamisy lasa teo. Kodiaran-droa iray no nirehitra ary may niaraka tamin’izay ny mpitondra azy. Namoy ny ainy teny an-dalana hitondràna azy ho any amin’ny toeram-pitsaboana moa ity farany. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Andranomadio, ao anatin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy no niseho ity lozam-pifamoivoizana, ny andron’ny alakamisy lasa…