Day: 5 mai 2021

Covid-19 : la vaccination pour freiner l’épidémie

Avec l’arrivée prochaine du vaccin, l’espoir renaît. En fait, il faut cependant rester lucide puisqu’il s’agit d’une campagne de vaccination ciblée. Dans un premier temps, ce n’est qu’une catégorie de Malgaches qui va en bénéficier. Les personnes âgées, le personnel de santé, les pompiers, les membres des forces de l’ordre seront les premiers à recevoir…

“Kidnapping” Anjozorobe : Votsotra ny roa tamin’ireo takalonaina, mpanara-dia roa maty

Tafatsoaka teny am-pelatanan’ireo dahalo kosa ny roa tamin’io olona dimy nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohimiarina, distrikan’Anjozorobe, ny alatsinainy teo. Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ny fokonolona, nampian’ireo zazamena, ny zandary sy ny miaramila, tetsy ankilany ary ireo andian-dahalo nitondra olona an-keriny tetsy andaniny. Indroa miantoana mihitsy no nisian’izay, izay raha ny vaovao voaray…

Fikarohana an’i Andrianjatovo Faniry Moïse : Manahy ny fisian ‘ny ambadika fanalam-baraka ny fianakaviany

Manoloana ny lahatsoratra nivoaka an-gazety milaza ny fikarohana an’Andrianjatovo Faniry Moïse, izay voalaza fa manana raharaha mikasika hosoka sy fisolokiana dia manahy mafy ny fianakavian’ity lehilahy ity fa mety ho misy ambadika fanalam-baraka ity ao ambadik’izany. Tsy marina velively ny filazana fa nandositra na niafina ity olona enjehana ity raha ny nambaran’ny zokin’ity farany tonga…

Fifaninana hidirana ho polisy : Nivoaka omaly hariva ny valim-panadinana

Omaly hariva no nivoaka ny valim-panadinana handraisana mpianatra ho commissaire sy officier de police eny amin’ny sekoly ambony ny polisim-pirenena (ENSP) Ivato sy any amin’ny Sekoly manofana agent de police sy Ispecteur de police (ENIAP) Antsirabe. Efa azo jerena eny amin’ireo biraon’ny polisy (Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka, commissariat central, commissariat, sy ireo paositry ny polisy) ny…

Ambohimangakely : Namidiny indimy ny tany, nosamborina ilay ramatoa

Rahampitso no hotsaraina ny raharaha. Voasambotra ny faran’ny herinandro lasa teo ny ramatoa iray ary avy hatrany dia nanokafana fanadihadiana noho ny fisolokiana mifandraika amin’ny famarotana tany amin’ny olona maromaro. Tsy latsaky ny dimy ny mpitory azy ary efa nahazoany vola avokoa. Ny tsy nampoiziny dia efa nanomboka nifampiresaka ny olona, izay samy efa nieritreritra…

Alarobia Amboniloha : Tovolahy namono tena, nitsoraka tany ambany taxibe

Hatairana tokoa ny an’ny rehetra, mponina teny amin’iny faritra Amboniloha iny, nanatri-maso ny zava-nisy. Tovolahy iray, manodidina ny 20 taona teo ho eo no  avy hatrany dia nitsoraka, tsy tam-pisalasalana tao ambanina fiara mpitatitra iray, mihazo an’iny faritra iny, omaly tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro tany ho any. Araka ny nambaran’ireo olona miara-monina aminy…