- Publicité SW45 -
samedi, mai 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha sambo « Lumina » : Nampiana 30 volana ny « MD » an’ireo mpiray tsikombakomba

Raharaha sambo « Lumina » : Nampiana 30 volana ny « MD » an’ireo mpiray tsikombakomba

Na heverina fa mangina aza ny raharaha sambo Lumina tratra ambodiomby nitondra andramena tao amin’ny faritra « cap Masoala » Maroantsetra ny volana febroary ny taona lasa, dia tsy izay ny zava-misy fa lasa vao mainka misy “kolikoly” sy “fampiasam-bola maloto” be ao ambadika noho ny zava-misy amin’ny fihemorana lava amin’ny fitsarana raharaha, nefa efa ny volana jona ny taona lasa no efa nikatona ny antontan-taratasin’ady mikasika ny raharaha, ary efa in-03 tokony hiakatra fitsarana ny raharaha, saingy in-03 koa nihemotra noho fangatahana voarain’ny mpitsara.

Efa ny 17 febroary izany, efatra andro taorian’ny fahatrarana sy nitondrana azy ireo tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, izay ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana mihitsy no niatrika izany teto Toamasina tamin’izay fotoana izay, no nahiditra fonja vonjimaika eny Tsiafahy ireo tatsambo sy ny komandan’ny sambo 12 mirahalahy. Nanomboka teo dia nivezivezy teo anivon’ny fitsarana misahana ny raharaha tao Antananarivo nanaovana ny fakana am-bavany azy ireo, ka izay no nahatonga ny antontan-taratasin’adin’izy ireo ny volana jona ny taona lasa ihany dia nikatona ary miandry ny fitsarana sisa ny raharaha. 18 volana aty aoriana anefa tsy izay fitsarana izay no miseho fa taratasy milaza fa nampitomboina 30 volana indray ny « MD » ho azy ireto, izay tsy mazava ny anton’ny fanapahan-kevitra ny fitsarana.

Ny tena nanaitra ny maro anefa amin’ity raharaha andramena nentin’ny sambo Lumina tratra tao Maroantsetra ity, dia ireo voalazan’ny antontan-taratasy fa tompo-marika, ny tompon-tsambo mivady izany, indray no nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika, fa ireo ambaran’ny antontan-taratasy fa mpiray tsikombakomba indray no giazana am-ponja, na mangataka « LP » aza lavina hatrany. Izao ihany koa fantatra fa efa ampiasain’ireo tompon-tsambo tompo-marika tamin’ilay andramena tratra tao « cap Masoala » ity sambo Lumina ity ary efa mitatitra entana Toamasina – Maroantsetra – Antalaha – Vohemar – ary Antsiranana izy ankehitriny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici