- Publicité SW45 -
vendredi, mai 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN2 : Taxi-brousse saika notafihana andian’olona

RN2 : Taxi-brousse saika notafihana andian’olona

Raha ny lalam-pirenena fahafito na ny fahefatra no mazana nahenoana trangana fanakanan-dalana dia efa mandady ihany koa ny trambo eny amin’iny lalam-pirenena faharoa. Eny fa na dia heverin’ny maro fa be mpindrana aza iny lalana iny ka tsy ho sahy ireo olon-dratsy.

Tranga iray niseho teo Brickaville ny alin’ny alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia nisy andian’olon-dratsy nikasa ny hanakana ireo fiara mpitatitra mpindrana iny lalana iny, teo amin’ny PK 237+600, atsimo kelin’ny tananan’i Marozavavy, ao amin’ny kaominina Brickaville. Tsy vato na vatan-kazo indray no nokendren’ireto andian-jiolahy ireo hanakanana izay fiara mandalo fa lavaka. Araka ny vaovao voaray tokoa mantsy dia nolavahan’izy ireo ny arabe, mba handehanan’ireo fiara ireo moramora na voatery hijanona mihitsy aza, amin’izay misy hanararaotan’izy ireo hanaovana ny asa ratsiny. Taxi-brousse iray no sendra nahatsikaritra ity fanakanan-dalana ity tamin’io alina io. Soa ihany anefa fa hain’ilay mpamily ny niala ilay lavaka ka afaka soa aman-tsara ihany ity farany, raha tsy izany dia efa niandry azy ireo teo ireo andian-jiolahy.

Ity farany no nampandre avy hatrany ny zandary ny amin’ity tranga ity. Vantany vao naharay ny vaovao kosa ireo zandary misahana ilay faritra dia nidina avy hatrany tany an-toerana teo no ho eo. Vao hitan’ireo olon-dratsy anefa fa tonga ny mpitandro filaminana dia nanao tari-dositra nitsoaka tany an’ala avokoa izy ireo. Na dia tsy nahavita ny zava-nokasainy aza ireo olon-dratsy dia nisy avy hatrany ny paik’ady napetrak’ireo mpitandro filaminana hiarovana ireo fiara mifamezivezy tamin’izany ampahana lalam-pirenena izany. Efa nototofana ihany ny lavaka nataon’ireo olon-dratsy. Etsy an-danin’izay dia mbola manohy ny sava hao sy fanadihadiana entina hikarohana ireto farany ireo zandary any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici