Category: Faits-Divers

Kaominina 11 eto Vakinankaratra no hisitraka ny “FER” na tahirim-bola ho an’ny fikojakojana ny lalana. Ireo kaominina ireo no nahafeno ny fepetra notakiana hatreto ka izy ireo no hisantatra izany. Fantatra fa 100 tapitrisa ariary ny vola natokana hikojakojana ireo kaominina hita fa tena ratsy lalana indrindra eto Vakinankaratra ka ny sampandraharaha misahana ny lafiny ara…

Ny sabotsy alina teo no fantatra fa navotsotr’ireo olon-dratsy nitazona azy ireo efatra mianadahy, zanaka mpandraharaha iray ao Andramy, Maevatanana faharoa, rehefa notazomin’ireo olon-dratsy herinandro teo. Araka ny fampitam-baovaon’ny namana avy any an-toerana dia vola manodidina ny 10 tapitrisa ariary teo ho eo no nomena ireo olon-dratsy. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho…

Antsirabe : Fahafatesan’ny zanak’i Mami Bastah, mistery ho an’ny fianakaviana

Nanamafy i Mamy Bastah fa mbola mistery ho azy ny nahafaty ny zanany, mbola ao anatin’ny fahafenon-drano ny fianakaviana amin’izao,  na izany aza dia afaka namaly tsara ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety i Mami Bastah omaly maraina. Namerina nanazava izy fa mbola niresaka izy mianaka ny sabotsy alina tokony ho tamin’ny 11 ora taorian’ny…

Teo Ambohimitarona -Miarinarivo no nitranga ilay lozam-pifamoivoizana. Omaly maraina, ny lehilahy iray sy ny rafozany no nanao taingin-droa nandeha moto scooter. Tao anaty fiolanana no nisy taxi-brousse izay nipoitra tampoka ary nifandona ny roa tonta. Mizotra ho any Soavinandriana-Itasy ilay fiara fitaterana io nifandona tao Ambohimitarona, efatra kilaometatra tsy hidirana an’i Miarinarivo. Maty tsy tsa-drano…

Raha vao nandeha kely tamin’ny tambajotra sosialy ny sarin’ilay teratany frantsay antsoina hoe Stéphane Laurin ka nahazo tatitra momba izany ny fianakaviany, dia niangavy ny hanesorana an’izany avy hatrany ireo farany. Mazava ho azy fa mba ho fanajàna ny voninahitry ny maty. Ny harivan’ny asabotsy dia efa tsy hita intsony tamin’ny tranonkalan’ny mpitandro ny filaminana…

Taorian’i Toliara, Fianarantsoa, Mahajanga, Antsiranana, dia i Toamasina indray no nitondran’ny sampan-draharahan’ny hetra Malagasy ny fankalazany ny faha-20 taona nijoriany manokana, raha nitambatra tamin’ny ladoany izy teo aloha.  “Hetra tsara lamina sy mangarahara, antoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, izay no lohahevitra entin’ireo mpiasa mankalaza izany faha-20 taonany izany ankehitriny, ny volana oktobra 1998 ihany koa…

#- Sambava. Roalahy nifamono noho ny resaka fandriana. Nandeha nitady asa tany amin’iny fokontany Amparihy, ao amin’ny kaominina Antsahavaribe no nifamono tao an-tranon’ny olona nandray azy ireo ny zoma alina teo. Maty tsy tra-drano noho ny tsindron’antsy nahazo azy ny iray tamin’izy roalahy ireto. Araka ny fampitam-baovao azo dia resaka fatoriana no nahatonga ny adin’izy…

Niezaka nivoaka ihany ilay mpamily, saingy voatery teo anelanelan’ny seza sy ny familiana izy. Efa naharay ny lohan’ilay fiarabe izay potika tanteraka anefa ny afo tamin’io fotoana io ka tsy azo natao intsony. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny ny sabotsy tolakandro teo, tao amin’ny kaominina Nandihizana Carion, ao amin’ny distrika Manjakandriana. Kamiao…

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray tao an-tampon-tanànan’i Tolagnaro, ny zoma teo. Fiarabe iray nitondra mpanao propagandy no nitera-doza raha niditra ny kianjan’ Ampasamasay; izay toerana nanaovana kandidà ho filoham-pirenena iray ny fampielezan-keviny. Araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia nofaohin’ny sakana amin’ny haavo tsy azo ihoarana ireo olona nitaingina teo ambonin’ity kamiao niditra ny…

Omaly vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina no nahitan’ny reniny azy, akanjo fitondra matory no teny an-kodiny,  niankina tamin’ny tamboho, nifatotra fehinkibo ny tendany, mbola nisy aina kely izy, saingy tsy tana intsony rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Zanaka mpanakanto fanta-daza eto amin’ny Nosy ity namoy ny ainy tampoka  ity teto…