Category: Faits-Divers

# – ITAOSY. Orinasa notafihan’ny jiolahy mitam-basy. Afak’omaly alina dia nidirana andian-jiolahy mirongo basy an-keriny tao amina orinasa iray teny Itaosy. Rehefa tafiditra ry zalahy dia nofatorany ny mpiambina ary noteren’izy ireo hovakiana ny vata fitehirian-javatra tao anaty birao, izay noheverin’ireo olon-dratsy fa misy ny vola. Tsy nety nisokatra anefa izany ka niala maina ireo…

Nifampitifitra ny pôlisy sy ny jiolahy, omaly tokony ho tamin’ny iray ora maraina, tetsy Andavamamba. Raha ny fanamarihana azo dia nisy jiolahy nikasa handroba ny tokantrano iray tao an-toerana. Nisy nahatsikaritra anefa izany ka nahatonga an’ireo hiantso pôlisy avy hatrany. Poa toa izay dia tonga ny mpitandro ny filaminana, efa misy mihainohaino matetika rahateo eny…

Talatamaty: Basy Baïkal 99 sy bala anarivony tratra tao amina Karana

Teny amin’ny Fasan’ny Karana no nahitana ity karazana basy ity ary rehefa natao ny famotorana dia tonga hatreny Imerina Afovoany Nahitana vokany ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny famefena ny fitobahan’ny fitaovam-piadiana eto amintsika amin’izao fotoana izao. Basy Baïkal miisa hatrany amin’ny 99  miaraka amina bala anarivony no tratra teny Imerianafovoany tamin’ny alatsinainy lasa teo.…

Toy ny mana avy any an-danitra ny fahitan’ireo jiolahy ny fianjeran’ny tovolahy iray vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Raha mba tokony hanavotra azy ireo olona, ny môtô nentin’ilay tovolahy indray no avy hatrany dia nalain’ireo. Soa fa mba sendra nisy pôlisy teo amin’ny manodidina teo. Io no niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Tsy lasa…

Notafihan’ny jiolahy nirongo basy ny ben’ny tanànan’Ampanihy (Mahabo – Morondava) ny volana jona lasa teo. Niisa valo ireo mpanafika ary nandroba vola, firavaka sarobidy ary ny basin’ity ben’ny tanàna ity. Nisy olona roalahy noahiahian’ny mponina ho tafiditra tamin’io fanafihana io satria nampiahiahy ny maro ny fihetsiny. Taorian’izay dia nandositra avy hatrany tany Morondava ireo olona…

Antanimena : Hain-trano, ramatoa lehibe 60 taona maty kilan’ny afo

Nisehoana hain-trano roa teto amin’ny faritry ny renivohitra, omaly. Tsy mbola fantatra izay antony nahatonga izany hatramin’izao Ramatoa lehibe iray 60 taona no fantatra fa maty may kilan’ny afo tetsy Ambohibary Antanimena, omaly. Nirehitra mantsy ny trano nipetrahany. Tokony ho tany amin’ny 1 ora sy sasany tany ho any, taitra ny manodidina nahita setroka be…

Nahitam-bokatra indray ny hetsika nataon’ny zandarimaria eto amin’ny faritra Vakinankaratra. Ravan’izy ireo indray mantsy ny andian-dahalo nikasa hanao fanafihana tao amin’ny faritra andrefan’i Vakinankaratra iny,izay faritra mena tokoa amin’ity asan-dahalo ity. Tao amin’ny kaominina Vasiana no voasambotra izy valo lahy ireto, voalaza fa  nampitaraina sy nampihorohoro ny mponina tokoa. Tao amin’ny fokontany Beakanga no nisamborana…

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Anosizato Atsinanana afak’omaly alina. Miisa efatra ireo mpanafika ary mirongo “kalach sy Pistolet Automatique (P.A)”. Niditra an-keriny tao an-trano ry zalahy ary nanambana basy ny tompon-trano no sady nanery azy ireo hanome ny vola rehetra tao an-trano sy ny firavaka sarobidy ary ny finday. Nisy anefa ny fanapoahana basy ka olona…

Digue : Lozam-pifamoivoizana hafa indray

Raha misy ny toerana be lozam-pifamoivoizana indrindra tato ho ato dia eny amin’ny làlana Digue. Omaly dia fitohanana be no nateraky ny fifandonan’ny fiara mitondra ny marika BMW tamin’ny “taxi-be”. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara kely ary tavela teo afivoan’ny arabe . Nisy ny naratra vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity ka nentina haingana teny amin’ny hopitaly mba…

# Fitohanan’ny làlana, mila masiaka ny mpitandro ny filaminana. Ampiharina ny lalàna ary mila masiaka raha ilaina izany. Be loatra mantsy ny baranahany momba ny fifamoivoizana : ny fijanonana eny amin’ny sisin-dàlana, ny kortezin’ny manam-pahefana izay tsy maintsy mahazo làlana fotsiny tsotr’izao, ny tsy fanarahana ny fenitry ny fifamoivoizana (code de la route). Tsiahivina fa…