Category: Faits-Divers

Notafihan’ny jiolahy nirongo basy ny ben’ny tanànan’Ampanihy (Mahabo – Morondava) ny volana jona lasa teo. Niisa valo ireo mpanafika ary nandroba vola, firavaka sarobidy ary ny basin’ity ben’ny tanàna ity. Nisy olona roalahy noahiahian’ny mponina ho tafiditra tamin’io fanafihana io satria nampiahiahy ny maro ny fihetsiny. Taorian’izay dia nandositra avy hatrany tany Morondava ireo olona…

Antanimena : Hain-trano, ramatoa lehibe 60 taona maty kilan’ny afo

Nisehoana hain-trano roa teto amin’ny faritry ny renivohitra, omaly. Tsy mbola fantatra izay antony nahatonga izany hatramin’izao Ramatoa lehibe iray 60 taona no fantatra fa maty may kilan’ny afo tetsy Ambohibary Antanimena, omaly. Nirehitra mantsy ny trano nipetrahany. Tokony ho tany amin’ny 1 ora sy sasany tany ho any, taitra ny manodidina nahita setroka be…

Nahitam-bokatra indray ny hetsika nataon’ny zandarimaria eto amin’ny faritra Vakinankaratra. Ravan’izy ireo indray mantsy ny andian-dahalo nikasa hanao fanafihana tao amin’ny faritra andrefan’i Vakinankaratra iny,izay faritra mena tokoa amin’ity asan-dahalo ity. Tao amin’ny kaominina Vasiana no voasambotra izy valo lahy ireto, voalaza fa  nampitaraina sy nampihorohoro ny mponina tokoa. Tao amin’ny fokontany Beakanga no nisamborana…

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Anosizato Atsinanana afak’omaly alina. Miisa efatra ireo mpanafika ary mirongo “kalach sy Pistolet Automatique (P.A)”. Niditra an-keriny tao an-trano ry zalahy ary nanambana basy ny tompon-trano no sady nanery azy ireo hanome ny vola rehetra tao an-trano sy ny firavaka sarobidy ary ny finday. Nisy anefa ny fanapoahana basy ka olona…

Digue : Lozam-pifamoivoizana hafa indray

Raha misy ny toerana be lozam-pifamoivoizana indrindra tato ho ato dia eny amin’ny làlana Digue. Omaly dia fitohanana be no nateraky ny fifandonan’ny fiara mitondra ny marika BMW tamin’ny “taxi-be”. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara kely ary tavela teo afivoan’ny arabe . Nisy ny naratra vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity ka nentina haingana teny amin’ny hopitaly mba…

# Fitohanan’ny làlana, mila masiaka ny mpitandro ny filaminana. Ampiharina ny lalàna ary mila masiaka raha ilaina izany. Be loatra mantsy ny baranahany momba ny fifamoivoizana : ny fijanonana eny amin’ny sisin-dàlana, ny kortezin’ny manam-pahefana izay tsy maintsy mahazo làlana fotsiny tsotr’izao, ny tsy fanarahana ny fenitry ny fifamoivoizana (code de la route). Tsiahivina fa…

Ny alin’ny alatsinainy teo tamin’ny 1 ora maraina, notafihana jiolahy  valo nitondra fitaovam-piadina maro samy hafa ny tranona pasitera iray tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambodivona Andrambiazina any Ambohimandroso. Vokatr’izany, maty notsatohan’ireo olon-dratsy antsy teo amin’ny fony ny vadin’ity mpitandrina ity, nampijaliana ihany koa ny zanany vavy kely vao herintaona sy tapany monja. Nasiany antsy…

Omaly no notanterahina ny fitsarana ireo olona fantatra fa tafiditra tamin’ny famonoana olona niseho teny amin’ny faritra Ambohimanga tamin’ny faha-7 jona 2012. Nivoaka ny didy ka voaheloka hanao asa anterivozona mandra-pahafatiny ny roa tamin’izy ireo, ary 20 taona asa anterivozona ny iray, miampy onitra amina tapitrisa maro. Tamin’io daty voalaza etsy ambony io, nisy ny…

Tao anatin’ny roa volana, indroa no nisy fanafihana mitam-piadiana tany an-toerana Dahalo 7 mitondra fitaovam-piadiana no nanafika ny mpizaha tany tao amin’ny Montagne d’Ambre ny sabotsy tokony tamin’ny 1 ora sy sasany. Nisaron-tava  avokoa ireo mpanafika ireo, araka ny tantarain’ireo « guide » nitondra  azy ireo. Lasa ny vola, ny téléphone, ny ordinateur, portable, passeport. Misy andiany…