Category: Faits-Divers

Lehilahy iray 35 taona no hita faty tao amin’ny parcage tany Port Bergé ny alarobia lasa teo vao maraina be. Ny olona teo amin’ny toerana no nampandre avy hatrany ny tompon’andrikitry ny mpitandro filaminana. Rehefa nojerena ny razana dia tsy nisy taratasy nahafantarana azy tany amin’io olona io. Ireo nahita koa voalaza fa tsy nisy…

Nahazo vaovao ny polisy misahana ny ady atao amin’ny fianahan’ny zava-mahadomelina fa misy olona mivarotra rongony any amin’ny toerana roa samy hafa. Raha vao naharay ny vaovao ny mpitandro filaminana dia nidina teny an-toerana. Ny faha-29 janoary tamin’ny 11 ora, nandeha teny Manakambahiny Ambatomaro ireo polisy. Nivantana tao amina trano iray ary dia sarona teo…

Les pistes se multiplient et se tournent vers l’identification du numéro des lots des grenades. Des individus à la prison de Tsiafahy sont dans le collimateur… Chose curieuse, tous les numéros des lots des grenades utilisées par les présumés terroristes et les cambrioleurs sont identiques. L’identification technique faite par la police judiciaire confirme d’ailleurs la…

Ankasina : Mpangalatra nitsoraka tany anaty rano, hita faty omaly

Namoizany ny ain-dehibe ny nitsambikinany tany anaty rano. Natahotra ny fitsaram-bahoaka izy Ny alin’ny alarobia teo, nisy lehilahy iray nangalatra teny amin’ny faritra Ankasina tsy lavitra ny 67 Ha. Henon’ny olona tsara ary nisy nahita ny fihetsiny ka raikitra ny antso vonjy , ny akora lava narahina fanenjehana azy io. Efa maizina ny andro tamin’izay.…

Nanararaotra ny maizina noho ny tsy fisian-jiro ny lehilahy iray, efa raim-pianakaviana, ka nanao firaisana ara-nofo an-kalamanjana  tamina tovovavy mpivarotena iray no tra-tehakana andiana tanora nisotrosotro tao amin’ny « Jardin de la mer » amoron-driaka Toliara, ny alin’ny talata teo, tokony ho tany amin’ny 9 ora tany ho any. Nihorakoraka mafy azy ireo ireto andiana tanora ireto,…

“Manodidina ny tamin’ny enina ora hariva no namoy ny ainyI Rasolofoson Andry, Zokin’I Kevin. Tao amin’ny sampana fameloman’aina izy no navoaka ary naterina tao amin’ny tranompaty” raha araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny hopitaly Hjra. Fahavakisan’ny taova (izay efa nodidiana) niaraka tamin’ny fahavoazana teo amin’ny loha (pitika vy nandratra ny lohany) no tena nitarika ny fahafatesany,…

« Mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no aringana ». Tovolahy vao herotrerony anabavin’ny maty no nanararaotra ny fahoriana nianjady tamin’ny fianakaviany no nangalatra ny volamena iray kilao mahery kely, izay lova napetraky ny razamben-dry zareo ho an’ny fianakaviana, ka tsy mba nisy sahy nikasikasika mihitsy. Tsy vitan’izay fa mbola nofaohiny niaraka tamin’ity harembe lova ity…

Araka  ny vaovao marim-pototra voaray, olona telo no namoy ny ainy tao antin’ity volana janoary fiatombohan’ny taona ity,vokatry ny fahasemporana ao anaty trano mihidy noho ny fampiasana afon-tsaribao. Zava-doza tokoa mantsy ny ateraky ny gazy karbonika izay avoakan’ireny saribao fandrehitra ireny. Matetika dia vokatry ny tsy fahalalana na tsy firarahiana tsotra izao no mahatonga ny…

Tsy nisy nanam-po izay mety ho zava-nitranga ny rehetra. Nivoaka ny didin’ny fampanoavana omaly efa alinalina ary mahakasika ny fampidirana am-ponja vonjimaika ny miaramila fito teny Tsiafahy izany. Tsy neken’ny lehiben’ny toby (chef de corps) RFI izany ary nihaona mivantana tamin’ny mpitsara izy, dia nifampiraharaha ny amin’ny tsy handefasana ireo miaramila ireo any Tsiafahy. Raha…

Nisehoana fanafihana tao Merimiakatra Andranomanelatra Antsirabe II ny alin’ny alahady 26 Janoary teo. Fianakaviana iray no notafihana andian-jiolahy miisa dimy lahy, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Tsy nisaron-tava ireo jiolahy, tsy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ihany koa fa baraminina nanapoirany ny trano sy vato no teny an-tanany, raha ny fanazavana voaray. Teo an-davarangana no…