Category: Faits-Divers

Andrainarivo : Baomba tsy tena izy nampisahotaka ny mponina

Tsy lavitra ny toerana nahitana fatim-behivavy sy tovolahy voatsatoka antsy, poketra noheverina fa baomba Nisahotaka ny mponina teny amin’ny manodidina an’Andrainarivo, omaly  tolakandro. Fotony, nisy olona nahita poketra iray miloko mainty nisy nanary teny amin’ny sisin-dalana. Ka izay nahita dia nihevitra fa misy antony izany ary nandika ilay zavatra avy hatrany fa baomba io. Nisavoritaka…

Tsiravina izay nahita. Nijininika eran’ny làlana ny rà na dia nezahin’ilay mpangalatra nofatorana tamin’ny ravin-kazo aza ny tànany. Tsy lasa lavitra fa tokony ho teo amin’ny 600 metatra teo dia nidona tamin’ny “taxi-phone” izy ary nitsirara tamin’ny tany. Mbola mivandravandra be ary nisy aina kely. Omaly, tokony ho tamin’ny valo ora maraina, no nitrangan’izany teo…

Omaly no nankalazaina ny fetin’ny faha-45 taona nitondran’ny Malagasy ny zandarimariam-pirenena. Ny kolonely Richard Ratsimandrava no Malagasy lehibeny voalohany, raha araka ny tantara. Ankoatra ny kabary nifanesy izay nifandimbiasan’ny manam-pahefana, isan’izany ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, dia nisy ihany koa ny fampisehoana fahaiza-manao nataon’ny zandary manam-pahaizana manokana amin’ny fidirana an-tsehatra momba ny ady amin’ny jiolahy. Nahaliana ny…

Herinandro izay no nahatongavan’ny andiam-balala tao amin’ny distrikan’i Mandoto. Marihana fa valala avy ao Miandrivazo, faritra Menabe, ireo. Tsy mbola nisy fiantraikany tamin’ny volin’ny tantsaha aloha hatreto ny fisian’ireo andiam-balala ireo, ary tsy mbola naharay fitarainana ny lehiben’ny  distrika raha ny resaka nifanaovana taminy. Toerana dimy ao Mandoto no ipetrahan’ireo andiam-balala ka faritra iray no…

Ny alin’ny talata teo no navotsotr’ireo mpaka an-keriny ilay karàna nisy naka an-keriny tetsy Ivandry. Tsy mbola fantatra ny vola nalain’izy ireo satria tsy nisy fitoriana nipetraka teny amin’ny mpitandro ny filaminana. Notazomin’ny fianakaviana ho tsiambaratelo ho azy ireo izany ny momba iny fakàna an-keriny iny, toe-javatra izay mahazatra ihany. Ny antony dia rahonan’ny jiolahy…

Omaly no naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay teratany karàna nahafaty olona tetsy Ambatobe, ny asabotsy lasa teo. Nofaohiny vao maraina tamin’ny fiara nentiny ilay tovovavy ary maty tsy tsa-drano. Nijanona teo amin’ny “vitesse” fahefatra ny fiara. Raha ny vaovao azo dia  miasa eo anivon’ny orinasa iray etsy Ankorondrano izy. Nandeha be ny feo fa…

Des éléments d’élite de la police nationale étaient venus en renfort pour dissuader les gardes pénitentiaires à exécuter une décision judiciaire. Le placement sous mandat de dépôt est un travail de tous les jours tant pour la justice que pour les policiers. Mais lorsque ce sont des agents pénitenciers qui subissent ce sort, l’affaire est…

Ny alarobia lasa teo, tany Vatolatsaka, distrikan’i Betioky Atsimo, dia dimy mianaka ao amin’ny fianakaviana iray  no maty notifirina tsy nananana antra tamin’ny fomba feno habibiana, noho ny resaka ady sipa nitarika lonilonim-pihavanana taty afara. Tovolahy iray 22 taona no notifirin’ny dadatoany, ka maty tsy tra-drano, telo volana lasa izay. Nofonosin’ilay dadataoany lay ny fatiny…

Tsy hay izay nahazo an’ity lehilahy iray ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny valo ora, teo ambadiky ny tambohon’ny fonjaben’i Toliara ao Bazaribe, fa izy efa nitangoronan’ireo mpivarotena sy efa voaendaka ny fitafy teny an-kodiny no nanaitra ny mpandalo. Tako-kenatra no hany nentin’ity raim-pianakaviana ity nody tany an-trano. Tsilian-tsofina heno tamin’ny iray tamin’ireo mpivarotena…