Category: Faits-Divers

Tsaramasay : Lehilahy maty nananton-tena

Ny marainan’ny alahady teo ,nivarahontsana ny fianakaviana  raha nahita ity raim-pianakaviana maty niahantona tamin’ny tady tao an-trano. Lehilahy manodidina ny efapolo taona any ho any ity raim-pianakaviana maty ity ary manambady miteraka efatra, tsy hay marina ny tena antony . Nandeha nivavaka maraina mantsy ireto fianakaviany fa ity rangahy kosa nisafidy ny hijanona tao an-trano,…

Ny alakamisy lasa teo no nisehoan’ny loza tao amin’ny RN7 (PK92+115) raha iny handeha hiakatra aty Antananarivo iny ny Mazda taxi-brousse iray no handeha hisongona sarety tao anaty fiolahana no tojo fiara 4×4 tsy mataho-dalana iray nifanena taminy. Tsy afa-niala intsony ity farany fa dia voatery nifatratra nankaty amin’ilay sarety.Voakasoka ihany koa ny ilany havia…

Des opérateurs de la région Diana se regroupent actuellement pour saisir la justice sur une affaire d’escroquerie mettant en cause un membre de cabinet ministériel. Après recoupement, ce dernier utilise son titre pour arnaquer les importateurs de riz. « Il contraint certains opérateurs à travailler avec lui sous peine de bloquer leur action. Par la suite,…

Ambatobe : Tovovavy 16 taona maty voafaokan’ny fiara

Maty tsy tradrano ny tovovavy iray antsoina hoe Rabibison Mbolatiana. Ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny fito ora maraina dia nisy fiara iray nirimorimo, nentin’ny teratany karàna. Tsy nisy dian-kodiarana ny arabe ary nijanona teo amin’ny “vitesse” fahefatra ilay fiara tamin’ny fotoana nijeren’ny mpitandro ny filaminana izay nanokatra fanadihadiana. Midika izany fa tsy nahahitsaka “frein”…

Lanonana roa sosona no notanterahina omaly tany Toliara, tao amin’ny fari-piadidiam-paritry ny zandarimaria Tsianaloka,  izay natrehan’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena mivady, ny Jly Ravalomanana Richard. Voalohany : fanaovam-beloma ara-miaramila zandary manamboninahitra lefitra fito mendrika nandeha nisotro ronono, ny taona 2013. Notolorana mariboninahitra izy fito nahavita be ireto, ary tamin’izany no nilazan’ny komandin’ny CIRGN Toliara, ny Jly Iama Radafy,…

Tsy notazomina am-ponja fa kosa nandoa ny lamandy na “transaction douanière” mifanandrify amin’ny lanjan’ireo volamena saika navoaka an-tsokosoko, dia nahazo fahafahana ireo karàna roa. Mpianaka izy ireo raha araka ny fantatra. Volamena 1,7 kilao no nafenin’izy ireo tao anatin’ny entany. Efa tafiditra tany anaty fiaramanidina vao sarona ary avy tao no navoaka taty ivelany indray…