Category: Faits-Divers

Raha ny fahitana azy dia efa maty taty ivelany izy vao natsipy tanaty rano. Nahitana razana natsingevan’ny rano, tao amin’ny  toerana iray fanangonan-dranon’ny Jirama ao Moramanga. Lehilahy tokony ho 23 taona eo izy io. Raha ny fahafantaran’ny olona eo amin’ny manodidina azy dia mpitari-posy no asa fanaony andavan’andro, ary avy any Mantasoa ny fihaviany. Tsy…

Na dia nasaina nijanona aza ireo mpangalatr’omby dia mbola lasa nandositra ihany, sady namaly ireo mpitandro filaminana. Voatery nampiasa ny fitaovana teny aminy ireo zandary ka tamin’izany no nahafaty ny iray tamin’ireo jiolahy. Ireo namany kosa afaka nandositra. Ny alin’ny 19 novambra tokony ho tamin’ny 12 ora, nisy andian’olona nangalatra omby tao amin’ny tanànan’Antsoatany Antsirabe.…

Olona telo no indray namoy ny ainy ka zaza 9 volana ny iray, 9 taona ny iray ary vehivavy 20 taona iray. Io no voka-dratsin’ny fihinana fanoara na soka-dranomasina tao amin’ny fokontany Andovokonko, kaominina Ambanivohitry ny Andranovondronina. Omaly no nisian’io tranga io , raha tamin’ny alahady no nihinanan’ny sasany ilay fanoara. Efa roa andro taty…

Omaly tolakandro tany amin’ny 3 ora, nisy fanafihan-jiolahy niseho teny amin’ny faritry ny Bazary be Toamasina. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa bandy miisa efatra nitondra Scooter no nandroba tao amin’ny “Boutique Telma” Boulevard Joffre. Lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny vola rehetra hitany toa miampy telefonina maro.  Nitondra basy sy zava-maranitra ireto mpandroba ireto ary dia tsy…

Fanafihana tetsy Anosibe : Lehilahy iray voatifitra teo amin’ny lohany

Misaron-tava ary mitondra basy ny iray tamin’ireo jiolahy. Olona iray voatifitra teo amin’ny lohany ary vola 8 tapitrisa, finday, ordinateur portable sy fitaovana lafovidy maro samihafa voaroba. Io no vokatry ny fanafihana mitam-piadiana nitranga tetsy Anosibe, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Voalaza fa tokony ho tamin’ny misasakalina mahery kely tany ho any no niditra…

# – Ampefiloha. Telo vavy tsy ampy taona nanao ditra. Ny alatsinainy teo, tsy hita ny nalehan’ireo ankizy vavy tsy ampy taona, (eo amin’ny 13 taona eo avokoa). Niezaka nikaroka azy ireo ny havany. Omaly hariva voa niverina tany amin’ny tranony izy ireo. Rehefa nanontaniana dia nilaza fa nampiantranoin’izany ramatoa izany teny amin’ny faritra Anosibe…

Mahajamba Usine : Nahazo vovon-drano fito

Fokontany 9 amin’ireo 11 misy ao amin’ny kaominin’i Mahajamba ankehitriny no nahazo vovo famatsiana rano fisotro madio vokatry ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny kaominina sy ny ministeran’ny Rano tamin’ny  “Agence de l’Eau Seine-et-Marne”, ao amin’ny kaominin’i Paris, Frantsa. Valo taona lasa izay dia nandeha hatrany amin’ny 50km ny mponina no nitatitra rano tamin’ny sarety avy amin’ny reniranon’i Mahajamba.…

Araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia fantatra izao fa niampy telo indray ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatr’ilay fihinanana henan’antsantsa tany Mahasoa, Fenerive-Est. olona mpianaka ary iray trano ireto namoy ny ainy ireto. Efa andro vitsivitsy izay no efa tsy nahatsiaro tena izy ireo ary dia izao niafara tamin’ny fahafatesana izao. Na…

Omaly hatramin’ny 4 ora hariva, tsy mbola nandrenesana vaovao ny momba ilay fakana an-keriny teratany Karàna iray tany Toamasina niseho ny alatsinainy hariva tamin’ny 5 ora. Ny hany fantatra aloha hatramin’izao dia tsy mbola naharay fangatahana onitra na « rançon » ny fianakavian’ilay karàna. Araka izany dia manjavozavo ny fandehan-javatra. Tamin’ny fotoana nitondran’ireo jiolahy an’ity olona ity…

Mihabiby ny olona amin’izao ka tsy mifandefitra intsony na dia samy mpihavana izao aza. Ny asabotsy hariva teo dia mpirahavavy niady lova no nifampitetika tamin’ny antsy tany Beroroha. Nandriaka ny rà. Tsy nananany antra fa avy hatrany dia notetitetehany tamin’ilay zavamaranitra ny rahavaviny,  maty tsy tra-drano vokatr’izany. Niatomboka tamin’ny fifamaliana momba ity ady lova ity…