Catégorie:Faits-Divers

May kilan’ny afo tanteraka ity rangahy lehibe iray tany Antanambao Talatan’Ivolonondry, ny alahady lasa teo. Raha ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana dia ankevitry ny namono tena ity lehilahy lehibe, mananiky ny 73 taona ity. Tamin’ny alalan’ny kitay menaka no nandoroany ny tenany. Araka ny fantatra hatrany dia nilaza ho tsy nahafantatra izao zava-doza…

Tsy mijanona ny hetsika ataon’ny polisy amin’ny ady amin’ny fihanahan’ny rongony.   Fantatra izao fa olona dimy indray no tratra teo am-pifohana izany, teny amin’ny faritr’i Faravohitra. Nisy nampilaza ny tao amin’ny komisarian’ny polisy, boriborintany faharoa etsy Ambohijatovo, fa misy toerana fifohana rongony ankalamanjana isaky ny harivariva manaraka ny tohatoha-bato eny Faravohitra Ambony, midina makany amin’ny…

Nitrangana fanafihan-jiolahy tao Mandoto ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora. Fivarotana iray no lasibatra tamin’izany, efa-dahy ireo jiolahy ary voalaza fa mirongo fitaovam-piadiana maherivaika. Nandrahona sy nampihorohoro ireo jiolahy vantany vao tafiditra tao amin’ilay fivarotana. Tsy nisy sahy nanamaly ny niharam-boina, ny vavam-basy no niatrana tamin’izy ireo. Nanaram-po ireo…

Manoloana ny zavatra nitranga nahafaty ny zanaky ny ministry ny Tanoro sy ny Fanatanjahantena, ny polisim-pirenena dia manao fanambarana fa ny fiankaviam-ben’ny polisy manerana ny Nosy dia miara- miory sy miombona alahelo amin’ny fiankavian’Atoa minisitra. Manameloka tanteraka ny fihetsika nataon’ilay polisy mpiambina. Ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka dia mandray ny andraikiny, maka lesona amin’ny zava-niseho ary handray…

Mitohy hatrany ny fanadihadiana atoan’ny polisy, mikasika ilay famonoana ny zanaky ny minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena. Fantatra izao fa efa nohenoin’ny polisy ihany koa ny mpamily ilay fiara nitondra anin’ireo olona roa namoy ny ainy sy ny rahavavin-drenin’ilay ankizy vavy. Ny vaovao moa no nahalalana fa, tamin’ny fotoan’ny tifitra niseho, tsy tao anaty fiara…

Mitantara ny zavatra niseho ny andron’ny nahafaty an’i Fenitra ny rahavavin-dreniny Fandevenana an-dramatoakely Andirana Fenitriniaina Lovasoa tany Tsivahiny, Kaominina Besoa, distrikan’ Ambalavao Tsienimparihy ny 26 oktobra 2014 Tontosa soa aman-tsara tany Tsivahiny-Besoa, Ambalavao Tsienimparihy omaly 26/10/2014 ny fandevenana an-dramatoakely Fenitra, zanaky ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Dr Andriamosarisoa Jean Anicet, izay nodimandry tsy…

Vehivavy iray sipam-bazaha niala posy avy nanala azy handeha hody no voarasarasan’ny antsy ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany, tao Mahavatse Toliara. Raha ny fanazavan’ny niharam-boina, dia telolahy efa mamomamo no nanaraka azy tao anaty haizina. Tsy nanaiky mora nakana ny findainy sy ny paoketra nentiny ity tovovavy ity ka…