Category: Faits-Divers

Nolazain’ny olona fa mpamosavy ity vehivavy iray manodidina ny 30 taona. Ny anton’izany dia noho izy nitanjaka ary hita vao maraina be. Efa nitangorona ny olona, namatotra azy ary nihorakoraka. Teo amin’ny vodihazo izy no nafatotra ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga ny mpitandro ny filaminana. Teny Vinany-Itaosy no nitrangan’izany omaly vao mangiran-dratsy. Nentin’ny…

Mitobaka izay tsy izy ny vokatra letisia any amin’iny Distrikan’i Taolagnaro iny. Tsy atao mahagaga fa anisan’ny mpamokatra ity voankazo iray ity ny any an-toerana. Tao anatin’ny telo herinandro amin’ ireo toerana izay aleha, olona mivimbina sy miloloha garaba letisia ary mitsakotsako ity voankazo iray ity no tazan’ny maso manerana ireo kartie-11. Tsy vitan’ny hoe…

Tamin’ny efatra ora sy sasany, omaly, no taitra tampoka ny olona raha nahita firehetana tao amin’ny trano iray tetsy Analakely. Rehefa nohamarinina dia trano fitehirizana entan’ny « Le Glacier » izy io. Herinaratra nifandray, na « court-circuit », hatreto no heverina fa nitarika ny loza. Maro ny entana kilan’ny afo tao. Na izany aza anefa dia vetivety dia voafehy…

Dimy lahy izay voalaza fa jiolahy rain-dahiny no voasambotry ny zandary avy ao Andoharanofotsy ny 12 novambra lasa teo. Naharay vaovao mantsy ny mpitandro filaminana fa misy andian-jiolahy avy nanao fanafihana tany Faratsiho ary lasa nandositra aty Antananarivo. Napetraka avy hatrany ny sakana ka tratran’ny zanadary tao anaty taxi-brousse izy dimilahy ireto. Rehefa nosavaina dia…

Roa lahy no indray maty tsy tsa-drano rehefa notifirin’ny mpamily taxi-brousse tany akaikin’ny tanànan’i Betroka. Nivadika tanteraka araka izany ny rasa, satria ireo jiolahy indray no rifatra nitsoaka nanoloana ny zava-nitranga. Tao Ankarandoha, alohan’ny hidirana ao Betroka, no nisian’izany. Tsy nampoizin’ireo olon-dratsy mihitsy ny nanjo azy ireo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa vao lavitra dia…

Lehilahy lehibe iray no fantatra fa maty noho ny vely hazo nahazo azy teo amin’ny lohany. Tamin’ny alarobia hariva, tokony ho tany amin’ny 7 ora tany ho any, niaraka nisotrosotro ny lehilahy roa teny amin’ny tetezana Ambatofoty. Voalaza fa mpinamana ihany izy ireo. Ny iray efa somary zokiny, satria eo amin’ny 43 taona eo, ny…

Ankadifotsy : Nahazo Poste de Police

Omaly maraina no notokanana ny « Poste de Police de Proximité » eny amin’ny fokontany Ankadifotsy-Antanifotsy, ao anatin’ny Boriborintany fahatelo eto Antananarivo Renivohitra, izay eo ambany fiahian’ny « Commissariat de Police » ao Antaninandro. Tonga nitokana izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Filaminana Anatiny, ny Contrôleur Général de Police Rakotondrazaka Arsène, notronin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Vonona ny polisim-pirenena,…

Nahitana vokany ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana avy ao Andohoranofotsy. Voasambotr’izy ireo ny jiolahy  efatra fantatra fa mpanao fanafihana amin’ny faritra maro. Tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo dia voalazan’ny vaovao fa vao avy nanafika tany Faratsiho izy ireo. Sendra ny tsy nampoiziny anefa ka izao tra-tehaka izao izy ireo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa…

Niteraka fahafatesan’olona indray ny fanafihan-jiolahy teto an-drenivohitra. Tokantrano iray etsy Faralaza, fokontany iray ao amin’ny kaominina Talatamaty, no nataon’ny olon-dratsy lasibatra ny alin’ny talata teo. Raha ny fanamarihana azo teny an-toerana dia 15 lahy raha kely indrindra no isan’ireo mpanafika. Nitondra basy “kalachnikov” dimy ihany koa izy ireo, ankoatra izay tsy hitan’ny maso. Voaporofo tanteraka…

Tranga hafakely tsy dia fahita na fandre matetika no niseho tao Toliara tamin’ity herinandro ity. Ramatoa efa mananika nyfaha-53 taonany nitondra vohoka no niteraka kambana soa aman-tsara tsy nisy olana ny 11 novambra lasa teo. Mpamboly monina any amin’ny distrikan’i Toliara II ity ramatoa ity ary zanany fahenina ireto naterany farany ireto. Amin’ny maha tambanivohitra…