Category: Faits-Divers

Ny alin’ny alatsinainy teo tamin’ny 1 ora maraina, notafihana jiolahy  valo nitondra fitaovam-piadina maro samy hafa ny tranona pasitera iray tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambodivona Andrambiazina any Ambohimandroso. Vokatr’izany, maty notsatohan’ireo olon-dratsy antsy teo amin’ny fony ny vadin’ity mpitandrina ity, nampijaliana ihany koa ny zanany vavy kely vao herintaona sy tapany monja. Nasiany antsy…

Omaly no notanterahina ny fitsarana ireo olona fantatra fa tafiditra tamin’ny famonoana olona niseho teny amin’ny faritra Ambohimanga tamin’ny faha-7 jona 2012. Nivoaka ny didy ka voaheloka hanao asa anterivozona mandra-pahafatiny ny roa tamin’izy ireo, ary 20 taona asa anterivozona ny iray, miampy onitra amina tapitrisa maro. Tamin’io daty voalaza etsy ambony io, nisy ny…

Tao anatin’ny roa volana, indroa no nisy fanafihana mitam-piadiana tany an-toerana Dahalo 7 mitondra fitaovam-piadiana no nanafika ny mpizaha tany tao amin’ny Montagne d’Ambre ny sabotsy tokony tamin’ny 1 ora sy sasany. Nisaron-tava  avokoa ireo mpanafika ireo, araka ny tantarain’ireo « guide » nitondra  azy ireo. Lasa ny vola, ny téléphone, ny ordinateur, portable, passeport. Misy andiany…

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo, tokony ho tany amin’ny 1 ora maraina, jiolahy miisa fito no fantatra fa nanafika tranona tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny PAM. Voalazan’ny vaovao fa nitondra basy sy sabatra ireo mpandroba. Nanao be miditra izy ireo ary raha vao tao an-trano dia voambana basy izay rehetra tao. Tsy fantara izay…

Fifampitifirana teny Antanimora : Basin’ny Gal Ramananarivo no nentin’ireo jiolahy

Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy tafatsoaka. “Rehefa natao ny fanamarinana rehetra dia fantatra fa anisan’ireo basy very tao amin’ny tranon’ny Jeneraly Ramananarivo teny Andohan’i Mandroseza ny nentin’ireo jiolahy saika hanao fakana an-keriny ary nifampitifitra tamin’ny mpitandro filaminana teny Antanimora tamin’ny sabotsy teo iny”, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena omaly. Tamin’ny…

Ny volana aprily lasa teo izy no niditra an-keriny niaraka tamin’ny basy tao anatin’ny fetin’olona izay nambenan’ny pôlisy. Nilaza izy tamin’izay fotoana izay fa miasa eo anivon’ny Brigade Criminelle ka tonga hijery olona sy hanao fanadihadiana. Tsy afa-nanoatra ilay pôlisy niambina ny toerana ary nanaiky ny nidirany tao. Tamin’io fotoana io anefa dia vitan’ilay BC…

Ny alin’ny asabotsy teo dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana maromaro tamin’iny Atsimon-drano iny. Vola an-tapitrisany no voaroba ary olona roa no notifirin’ireo jiolahy ka namoy ny ainy ny iray  araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia andian-jiolahy iray ihany izy ireto. Imerimanjaka. Ny fanafihana voalohany dia nitranga tao Imerimanjaka – Ambohijanaka. Ny alin’ny asabotsy, tokony ho…

Antanimora : Mpanao “kidnapping” telolahy maty voatifitry ny zandary

Efa narahan’ny zandary hatrany Tsaralalàna ireto olon-dratsy ireto. Raikitra ny fifampitifirana tetsy Antanimora, amin’ny làlana miakatra ho any  Ambohitrakely iny ny harivan’ny asabotsy teo. Naharitra ora maromaro izany, vokany jiolahy telo, izay voalaza fa mpanao “kidnapping” no maty voatifitry ny zandary, telo hafa kosa tafatsoaka. Efa ela no nahazo vaovao ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny…

Mbola tsy milamina mihitsy hatramin’izao raha ny asan-dahalo any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny no asian-teny. Vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo malaso an-jatony nirongo basy sy zava-maranitra, nanafika tao amin’ny kaominina Berohy Atsimo, ka nahaverezana omby 540 niampy basim-borona roa.Dahalo efatra no maty voatifitry ny zandary, nandritra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny…