Category: Faits-Divers

Faritra maro eto amin’ny Nosy no ahitana sy andrenesana asan-dahalo saika isan’andro. Zandary iray no maty ka tafaverina ihany rehefa notazomin’ireo dahalo ny fatin’ilay zandary GP2C ny alin’ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora. Efa nalefa any Ampasimanjeva distrikan’I Manakara ny zoma lasa teo ihany ny razany ary io andro io ihany koa…

Tsy nisy hita ny taim-bala (douilles), saingy mbola azo atao tsara ny manompana ny fanadihadiana avy amin’ny alàlan’ny bala izay tavela tao anaty vatan’ny maty. Ny pôlisy siantifika sy teknika no hanatontosa an’izany fitsirihana izany raha ny fahafantarana azy. Ny antony dia ny mba hamantarana ny fiavian’ny bala nitifirana ary mifanaraka amin’izay ny basy tokony…

Ambohijatovo : Commandant sy vadina kolonely tratra nivarotra basy

Tsy mahagaga, hoy ny tompon’andraikitra raha miparitaka any amin’ny jiolahy ny basy Noho ny vela-pandrika nataon’ny polisy avy ao amin’ny “section N°6” avy ao amin’ny “Brigade criminelle” dia olona roa no voasambotra tetsy Ambohijatovo raha saika hivarotra basy. Ilay voalohany dia lehilahy izay voalaza fa miaramila efa misotro ronono ary nitondra ny grady Commandant. Ilay…

Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva omaly no nisy naka an-keriny ny karàna iray tompon’ny “quicaillerie nationale” ao Toamasina. Iny izy handeha hivoaka ny toeram-pivarotana iny, raha avy nanidy izany, no tonga ireo olon-dratsy. Nandeha fiara tsy mataho-dàlana izy ireo ary nanambana basy no sady nampiditra an-keriny ilay karàna tao anatiny. Tamin’ny ora nanoratanay omaly…

Tovolahy iray vao herotrerony tokony ho 22 taona eo no hita faty tao Ambatonikolahy distrikan’i Betafo ,rehefa tsy nody an-trano nanomboka ny 2 novambra lasa teo. Nivoaka ny trano ho eny an-tanimboly no  antony nivoahany ny tranony io 2 novambra lasa io. Tsy niverina tao an-trano intsony anefa izy nanomboka io daty ka nanahy mafy…

Vola saika hanefana ny karaman’ny mpiasa no lasan’ny jiolahy mitam-basy. Efa-dahy izy ireo no tompon’andraikitra tamin’izany raha araka ny vaovao azo tany an-toerana. Orinasa misahana fiambenana izay ao Tanamakoa no misy ny biraony ity lasibatra ity, ny zoma tokony ho tamin’ny sivy ora latsaka. Teo am-bavahadin’ny fiasana mihitsy no nandrasan’ireo olon-dratsy ilay olona nitondra ny…

Velona ary tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Toliara nanomboka ny sabotsy teo ilay pôlisy izay voalaza fa matin’ny dahalo. Ny tongony no tapaka rehefa nilatsaka tao anaty lavaka nandritra ny fitsoahany. Dahalo maherin’ny 80 lahy, nanao fanamiana miaramila ny sasany, nitondra basy « kalach 4» ary « Mas 36 », no nifanandrina taminy nandritra ny adiny enina latsaka, tao amin’ny…

Betsaka ny mponina ao Toliara sy ny manodidina no velon-taraina manoloana ny fahalafosan’ny rano miainga avy amin’ny orinasam-panjakana tokana Jirama. Ny any amin’ireo toerana somary mihataka ny renivohitra dia betsaka ny tokantrano misotro rano maloto tsy ara-pahasalamana avy amina vovo, miharitra sy ranom-potaka miandrona amin’ireny toerana iva mora ahazoan-drano ireny, amin’izao andro mafana izao. «…

Marais Masay Fatin-jaza kambana hita tao anaty “sachet”

Olona sendra nandalo no nahita ilay fonosana nipetraka teo amoron-drano. Mpitondra môtô sendra nandalo teny amin’ny toerana iny no nahatsikaritra an’izany voalohany, omaly tolakandro. Tsiravina ireo nahita ny tao anatiny : fatin-jaza roa, kambana raha araka ny fitantarany, no indray hita tao. Nampanatsoina ny BMH izay tonga teo an-toerana naka ireo razana. Raha ny fanazavan’izy…