Catégorie:Faits-Divers

Niakatra ny maripana afak’omaly tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, satria samy tsy nisy nety gisitra sy nanaiky lembenana. Gaga ny mpandeha hafa tamin’ilay taksiborosy mampitohy an’i Toliara sy Sakaraha satria niady nifamono tsy nety nosarahana mihitsy ny mpandeha roa tao anatin’ity fiara ity, noho ny ady momba ny voka-pifidianana. Voatery najanona hatramin’ny fiara mihitsy. Nivadika ho…

Un accident est survenu hier, vers 17 heures à Ankorondrano. Un taxi de marque Peugeot 205, a heurté une moto, un ABM 125. Résultat, un homme d’une trentaine d’années a été grièvement blessé, sa moto dans un piteux état et le taxi tellement amoché. D’après les témoins, un taxi qui file à toute vitesse, entrant…

Dahalo maherin’ny 120 no nanafika tao Mahabe Midongy Atsimo ny harivan’ny 16 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora. Tsy vitan’ny nangalatra omby izy ireo fa naka ankizilahy 14 taona natao takalon’aina. Tsy navotsotr’ireo dahalo ilay tovolahy raha tsy nanome omby efatra ny ray aman-dreniny. Nopotehin’ireto malaso ireto ihany koa ny fitaovam-pifidianana rehetra tao…

Ny marainan’ny alatsinainy tamin’ny 2 ora sy sasany, tokantrano roa no notafihan’ny jiolahy miisa telo mirongo basy sy antsy teny Ampasampito. Ireo no niditra ny trano fa voalaza koa fa nisy hafa niandry tany ivelany. Vokany, lasan’ireo mpangalatra avokoa ny vola, volamena, fitaovana sarobidy maro samy hafa, toy ny “décodeur”, ordinatera fitondra ary zavatra hafa.…

Omaly antoandro no niseho ny halatra fiara 4X4 iray marika Kia Sorento miloko “grenat” teny amin’ny faritra Ambohimangakely. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa fiara hamidy izy io ary nanao andrana ny mpividy omaly. Nijanona teny Ambohimangakely ary nandeha vetivety nivoaka ny tompony. Vao dify kely anefa izy dia nentin’ireo voalaza fa mpividy nirifatra ny fiara.…

Mahatratra eo amin’ny 10.000 isa ireo “bois de roses “miparitaka amin’iny tapany avaratry ny distrikan’i Tôlagnaro iny tao anatin’ny fotoana fohy. Izany dia nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ho solom-bavambahoaka Araka ny vaovao marim-pototra voaray tamin’ireo mponina tsara sitra-po amin’iny dia toerana maromaro, manomboka ao amin’ny kaominina ambanivolon’ IIaboakoho, mandalo an’i Manambato ka mipaka…

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy dia nisehoana fanafihan-jiolahy teny amin’ny faritra Anosibe. Trano iray no nidiran’izy ireo. Novakiany ny varavarana ary teo izy ireo no niditra rehefa avy nihanika tamboho. Toa tsy nisy nahare ny nahatongavan’ireo mpandroba ny tao amin’ilay trano. Efa tao amin’ny efitra iray izy ireo vao taitra ny olona. Telo ny isan’ireo…

Mbola mandry andriranantsy amin’izao fotoana izao ireo mponina any amin’iny lemak’i Manampanihy-Ambolo Ranomafana, distrikan’i Faradofay iny. Tao amin’ny kaominina iray atao hoe Emagnobo, raim-pianankaviana iray sahabo ho eo amin’ny 60 taona mahery eo no maty novonoin’olona tsy mbola fantatra.  Raha fanaporoifoan’ny manodidina ny anton’izao vonoan’olona mahatsiravina izao, tsy resaka dahalo na malaso akory fa resaka…

Avy any atsimo izy ary handeha hihazo an’andrenivohitra no niharan-doza tampoka. Naratra mafy vokatr’izany satria vaky ny lohany. Voatery nampidirina hopitaly teto an-drenivohitra ary vao haingana no afaka niala tao. Saingy mbola arahi-maso tanteraka ny fahasalamany ao an-tranony. Simba tanteraka ihany koa ny fiaran’ny polisy nentiny tamin’io fotoana io. Omaly dia tonga namangy azy teny…

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nadratrana olona indray tao Toliara,omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora. Fiara nandeha mafy voalaza fa mamo ny mpamily no nandona mpitondra « cyclo-pouusse ». Naratra mafy ary miady amin’ny fahafatesana amin’izao ity farany. Ilay fiara kosa tsy nijanona na dia nenjehan’nyolona sy voatora-bato aza. Goragora ny lafiny fifamoivoizana ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana…