Catégorie:Faits-Divers

Roa lahy no indray maty tsy tsa-drano rehefa notifirin’ny mpamily taxi-brousse tany akaikin’ny tanànan’i Betroka. Nivadika tanteraka araka izany ny rasa, satria ireo jiolahy indray no rifatra nitsoaka nanoloana ny zava-nitranga. Tao Ankarandoha, alohan’ny hidirana ao Betroka, no nisian’izany. Tsy nampoizin’ireo olon-dratsy mihitsy ny nanjo azy ireo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa vao lavitra dia…

Ankadifotsy : Nahazo Poste de Police

Omaly maraina no notokanana ny « Poste de Police de Proximité » eny amin’ny fokontany Ankadifotsy-Antanifotsy, ao anatin’ny Boriborintany fahatelo eto Antananarivo Renivohitra, izay eo ambany fiahian’ny « Commissariat de Police » ao Antaninandro. Tonga nitokana izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Filaminana Anatiny, ny Contrôleur Général de Police Rakotondrazaka Arsène, notronin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Vonona ny polisim-pirenena,…

Nahitana vokany ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana avy ao Andohoranofotsy. Voasambotr’izy ireo ny jiolahy  efatra fantatra fa mpanao fanafihana amin’ny faritra maro. Tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo dia voalazan’ny vaovao fa vao avy nanafika tany Faratsiho izy ireo. Sendra ny tsy nampoiziny anefa ka izao tra-tehaka izao izy ireo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa…

Niteraka fahafatesan’olona indray ny fanafihan-jiolahy teto an-drenivohitra. Tokantrano iray etsy Faralaza, fokontany iray ao amin’ny kaominina Talatamaty, no nataon’ny olon-dratsy lasibatra ny alin’ny talata teo. Raha ny fanamarihana azo teny an-toerana dia 15 lahy raha kely indrindra no isan’ireo mpanafika. Nitondra basy “kalachnikov” dimy ihany koa izy ireo, ankoatra izay tsy hitan’ny maso. Voaporofo tanteraka…

Tranga hafakely tsy dia fahita na fandre matetika no niseho tao Toliara tamin’ity herinandro ity. Ramatoa efa mananika nyfaha-53 taonany nitondra vohoka no niteraka kambana soa aman-tsara tsy nisy olana ny 11 novambra lasa teo. Mpamboly monina any amin’ny distrikan’i Toliara II ity ramatoa ity ary zanany fahenina ireto naterany farany ireto. Amin’ny maha tambanivohitra…

# –  « Route digue »- Nisy lozam-pifamoivoizana iray hafa indray. Nidona tamin’ny “poteau” ny fiara marika Peugeot 405 iray ary naratra ny mpamily. Nisy fiara avy any amin’ny ilany ary jambenan’ny jiro nampiasain’io izy ka izay no nahatonga ny loza, raha araka ny fanazavana azo. # – “Kidnapping” any ambanivohitra. Tsy vitan’ny manafika sy mangalatr’omby fotsiny…

Raha ny fahitana azy dia efa maty taty ivelany izy vao natsipy tanaty rano. Nahitana razana natsingevan’ny rano, tao amin’ny  toerana iray fanangonan-dranon’ny Jirama ao Moramanga. Lehilahy tokony ho 23 taona eo izy io. Raha ny fahafantaran’ny olona eo amin’ny manodidina azy dia mpitari-posy no asa fanaony andavan’andro, ary avy any Mantasoa ny fihaviany. Tsy…

Na dia nasaina nijanona aza ireo mpangalatr’omby dia mbola lasa nandositra ihany, sady namaly ireo mpitandro filaminana. Voatery nampiasa ny fitaovana teny aminy ireo zandary ka tamin’izany no nahafaty ny iray tamin’ireo jiolahy. Ireo namany kosa afaka nandositra. Ny alin’ny 19 novambra tokony ho tamin’ny 12 ora, nisy andian’olona nangalatra omby tao amin’ny tanànan’Antsoatany Antsirabe.…

Olona telo no indray namoy ny ainy ka zaza 9 volana ny iray, 9 taona ny iray ary vehivavy 20 taona iray. Io no voka-dratsin’ny fihinana fanoara na soka-dranomasina tao amin’ny fokontany Andovokonko, kaominina Ambanivohitry ny Andranovondronina. Omaly no nisian’io tranga io , raha tamin’ny alahady no nihinanan’ny sasany ilay fanoara. Efa roa andro taty…