Catégorie:Faits-Divers

Mandrangombato : Vehivavy roa nilatsahan’ny varatra omaly hariva

Manodidina ny tamin’ny fito ora hariva teo omaly, tao anatin’ny oram-be nikija no nidiran-doza ireto mpirahavavy. Nidiran’ny varatra tao amin’ny trano hofain’izy ireo tetsy Mandrangombato. Tao amin’ny tompon-trano, tao ambony rihana no niditra ny varatra.” Zavatra boribory menabe no hitako ary  dia tsy tafahetsika aho raha nahatazana an’izany mandeha aty amiko. Teo amin’ny tongotro izy…

Nitifitra indray ny jiolahy ary nandratra olona. Lehilahy iray monina etsy Anosibe no niharan’izany habibiana izany ny asabotsy hifoha alahady teo. Telo lahy  ireo olon-dratsy nanafika raha ny fanamarihan’ny mpitandro ny filaminana,izay nanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity. Niditra avy hatrany tao an-trano ireo rehefa avy nanapitsoka ny varavarana. Tsy nisy afa-nihetsika intsony ny iray…

Toliara : Iray maty voatifitra, 14 voasambotra

Nahitam-bokany indray ny ezaka sy ny hetsiky ny polisy tao Toliara,amin’ny famongorana ireo olon-dratsy vokatry ny fiaraha-miasa matotra tamin’ny fokonolona. Ny alarobia lasa teo dia jiolahy 14 ao anaty tambazotra matanjaka roa no voasambotra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy sy ny maro hafa. Malaza ratsy amin’ny famakiana trano sy ny fandrobana fananan’olona…

Nentina teny amin’ny hopitaly izy rehefa voadaroky ny vadiny. Karana vavy iray, renim-pianakaviana, no niharan’izany. Ny tena antony raha araka ny vaovao azo dia sady mampirafy ilay vadiny no mbola mamono ihany koa. Efa nandritra ny telo taona no nanana olon-tiana ivelan’ny tokantrano ilay rangahy, raha ny tantara tsotsotra. Niaritra izany hatrany ilay vadiny. Niitatra…

Tsy ny any ambanivolo ihany no mitondra faisana amin’ny asan-dahalo any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy fa hatramin’ny ao an-tampon-tanànan’i Toliara koa. Ny asabotsy teo dia renim-pianakaviana iray monina ao amin’ny fokontany Tsimenatse II no nanao filazana tamin’ny onjam-peo tsy miankina, mahakasika ny fahaverezan’ny ombiny efatra, ka anisan’izany ilay omby vavy sy ombin-tsarety tena tsy foiny.…

Vaky fasana : Ireo karandoha sisa navelan’ny jiolahy

Tetsy Androhibe-Atsimondrano no nisian’ity famakiana fasana ity. Razana 19 no indray tsy hita ny taolambalony rehefa natao ny fanisana. Ny asabotsy teo no nisy nahatsikaritra fa misokatra midanadana fotsiny ny varavaram-pasana. Nanomboka teo no nitsirihana izay mety ho zava-nisy. Tsy nisy afa-tsy ny karandoha sisa no navelan’ireo olon-dratsy tao. Asa, mety tsy lafo angamba izy…

Omaly zoma maraina be tokony ho tamin’ny 4 ora, polisy iray nandeha nody no nifanehitra tamina mpanendaka roalahy teny amin’ny faritry ny 67 Ha ,tsy lavitra loatra ny “commissariat”. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa avy niasa ity mpitandro filaminana ity tamin’io fotoana io ary nanatitra ny basiny tany amin’ny toeram-piasany. Tamin’izay fotoana izay indrindra no…

“Police de la route” ireny misahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana ireny no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Tamin’ny 4 desambra lasa teo, tamin’ny 7 ora hariva, tamin’ny làlam-pirenena voalohany eo amin’ny PK89+300 teo amin’ny tanàna atao hoe Andohavary fokontany Ampazambazaha any Miarinarivo no niseho ny loza. Ny loharanom-baovao no nahalalàna fa nisy…

Tapaka nandritra ny fivoriana nataon’ny OMC/NAT, tamin’ny 02 desambra lasa teo , izay notarihan’i Praiminisitra Omer Beriziky  fa hisy fepetra manokana horaisina mba ho fiarovana ireo kandidà roa ho filoham-pirenena, ka ny EMMO/NAT no iandraikitra sy miantoka an’izany. Nanapakevitra noho izany ny EMMO/NAT,fa hamoaka sy hiantoka mpitandro filaminana 30 isan’andro, izay mizara roa, ka 15…