Vola sandoka norobain’ny komisera sandoka



Jacaranda

Niainga tamin’ny varotra vato ny raharaha : vola sandoka no nomen’ireo mpividy ny mpivarotra. Velon-taraina ireto farany ary mbola tsy nitory akory dia efa « pôlisy » no tonga tao an-tranony. Nitonona ho komisera ny iray ary nilaza ny hanomezana avy hatrany ireo vola sandoka. Nalaina ireo vola izay mitentina 6 tapitrisa ariary ary mbola nasaina nandoa amboniny aza ireo olona mba “handaminana” ny raharaha. Izany rehetra izany dia tao anatin’ny fandrahonana no niseho, raha ny fanazavan’ilay olona voasoloky sady…voaroba. Napetrany ny fitoriana ary rehefa nandeha ny fanadihadain’ny pôlisy etsy Antaninandro dia sarona ireo olona roa voarohirohy ho tompon’andraikitra amin’izany. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo. Mbola misy ny olona karohina momba ity raharaha ity raha araka ny fanazavan’ny pôlisy. Ilay mpivarotra vato izany dia voa indroa : sady very ny vato no very ny vola, na dia sandoka aza.

 

D.R

Share This Post