Fenerive Est : Tafakatra 5 no maty , mbola misy tsy mahatsiaro tena



Jacaranda

Araka ny vaovao farany azo avy any an-toerana dia tafakatra dimy amin’izao fotoana izao ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatr’ilay fihinanana antsantsa tany Fenerive Atsinanana. Mbola misy amin’ireo marary tsaboina ao amin’ny hopitaly ihany koa no tsy mahatsiaro tena. Efa nidina tany an-toerana  ny tomponandraiki-panjakana nijery ifotony ny toe-draharaha, no sady nitondra fanampiana ho an’ireo traboina. Nisy ihany koa ny fampianarana ireo mpanjono, ny amin’ireo hazandrano mety hampidi-doza amin’ny fotoanan’ny andro mafana toy izao.

A.R.

Share This Post