Fihinanana antsantsa : Niampy telo indray ny maty



Jacaranda

Araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia fantatra izao fa niampy telo indray ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatr’ilay fihinanana henan’antsantsa tany Mahasoa, Fenerive-Est. olona mpianaka ary iray trano ireto namoy ny ainy ireto. Efa andro vitsivitsy izay no efa tsy nahatsiaro tena izy ireo ary dia izao niafara tamin’ny fahafatesana izao. Na dia tonga any an-toerana aza moa ny tomponandraiki-panjakana dia toa tsy dia misy vaha olana mahomby entin’izy ireo fa mbola mitombo hatrany ny isan’ny maty. Mangataka ny hotsaboina any Toamasina ireo marary saingy tsy misy mpiatonka azy ireo. Ireo namoy ny ainy izao no raisin’ny faritra an-tanana ny fikarakarana azy ireo. koa handrasana ho faty daholo izany ve ireo marary vao horaisin’ny fanjakana an-tanana?

A.R.

Share This Post