Mahajamba Usine : Nahazo vovon-drano fito



Jacaranda

DOBOFokontany 9 amin’ireo 11 misy ao amin’ny kaominin’i Mahajamba ankehitriny no nahazo vovo famatsiana rano fisotro madio vokatry ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny kaominina sy ny ministeran’ny Rano tamin’ny  “Agence de l’Eau Seine-et-Marne”, ao amin’ny kaominin’i Paris, Frantsa. Valo taona lasa izay dia nandeha hatrany amin’ny 50km ny mponina no nitatitra rano tamin’ny sarety avy amin’ny reniranon’i Mahajamba. Ankehitriny kosa dia tonga eo an-tanàna ny rano fisotro madio. 6000Ar isam-pianakaviana no anjara birikin’ny  mponina isam-pokontany tamin’ny fanamboarana ny vovo ahodin-tanàna, na “pompe à rope”, izay mitentina 6 tapitrisa ariary tsirairay.

2100 ka hatramin’ny 2500 olona isam-pokontany ankehitriny no mahazo rano fisotro madio vokatry ny fisian’ireto vovo ireto, hoy ny talem-paritry ny Rano eto Boeny, izay nanangana avy hatrany koa ny federasion’ny Komity mpitantana ny rano.  Anjaran’ireto farany  no mikojakoja ary mampitombo isa ireo vovo ireo ho isan-tanàna amin’ny alalàn’ny latsakemboky ny mpampiasa rano hatramin’ny taona 2015 mba ho  vovo iray an’ny olona 300.

A.R.

Share This Post