Moramanga : Faty feno ratra tao anaty rano



Jacaranda

MATYRaha ny fahitana azy dia efa maty taty ivelany izy vao natsipy tanaty rano.

Nahitana razana natsingevan’ny rano, tao amin’ny  toerana iray fanangonan-dranon’ny Jirama ao Moramanga. Lehilahy tokony ho 23 taona eo izy io. Raha ny fahafantaran’ny olona eo amin’ny manodidina azy dia mpitari-posy no asa fanaony andavan’andro, ary avy any Mantasoa ny fihaviany. Tsy misy mahalala kosa anefa izay nahatonga ny fatiny ho hita tao anatin’ity rano ity. Rehefa natao fizahana akaiky dia hita fa misy mangana toy ny aretin’aty ny vatany ary misy maratra ihany koa teo amin’ny ilany havia. Raha ny fantatra dia toerana fivezivezen’ny olona no sady fanasana lamba ihany koa ity toerana ity, ka olona handeha hanasa lamba vao maraina, tokony ho tamin’ny 5 tany ho any, no nahita ny razana ka nampilaza ny tomponandraikitra tao an-toerana. Raha ny fahitana azy aloha dia tsy maty an-drano ity olona ity fa efa maty taty ivelany vao nalatsaka tao. Nahenoana fofon-toaka ihany koa izy ary ilay maratra amin’ny vatany dia mety ho ny fianjerany tamin’ny tany fa tsy Diana vono akory. Tombatombana ihany anefa izany fa ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro filaminana no mety ahafantarana ny marina mahakasika izao.  fahafatesan’olona izao. Ny polisy any an-toerana moa no mandray an-tanana izany.

Tapa-tenda. Tao anatin’ny roa volana izay dia nahenoana faty olona matetika ny tao Moramanga. Raha ny mahakasika ilay vehivavy mpiasan’ny Airtel nisy namono tami’nny fomba feno habibiana tao Moramanga iny dia efa mandroso ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy ny natolotra ny Fitsarana fa efa olona 60 mahery kosa no efa nalain’ny polisy am-bavany. Raha ny mahakasika ilay raharaha nahafatesana mpiasan’ny kaominina kosa dia efa nisy ny olona voasambotra ary naiditra am-ponja vonjimaika. Na dia eo aza anefa izany rehetra izany dia azo lazaina ho mbola milamina ny tatanan’I Moramanaga ary tsy dia ahenoana asan-jiolahy matetika.

Aina R./Cathy

Share This Post