Tapatapany



Jacaranda

# –  « Route digue »- Nisy lozam-pifamoivoizana iray hafa indray. Nidona tamin’ny “poteau” ny fiara marika Peugeot 405 iray ary naratra ny mpamily. Nisy fiara avy any amin’ny ilany ary jambenan’ny jiro nampiasain’io izy ka izay no nahatonga ny loza, raha araka ny fanazavana azo.

# – “Kidnapping” any ambanivohitra. Tsy vitan’ny manafika sy mangalatr’omby fotsiny ny dahalo fa maka takalonaina ihany koa. Tao Ambovombe dia zaza telo no lasibatr’izany. Ny iray aza dia novonoin’izy ireo teny an-dàlana, nokapaina famaky teo amin’ny lohany…

# – Anosy. Nahemotra amin’ny 4 desambra ny didim-pitsarana. Amin’ny faha-4 desambra izao indray vao hivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ny hofan-trano mitentina hatrany amin’ny 140 tapitrisa Ia tsy voalohan’ilay mpanao politika iray. Efa tamin’ny faha-20 oktobra  no natao ny fitsarana ity raharaha ity.

# – Toliara. Sakafo lany daty. Fivarotana lehibe iray ao Toliara no nahatratrarana sakafo lany daty omaly teny amin’ny Bazaribe. Rehefa nojerena ny entana dia ny vatomamy, ny “biscuit” ary ny “fromage” no tena maro amin’izany entam-barotra izany. Raha mba mitaraina ny mpanjifa dia ireo mpivarotra indray no avo vava.

Nangonin’I D.R/r.s.

Share This Post