Betroka : Mpanakan-dàlana voatifitra



Jacaranda

Roa lahy no indray maty tsy tsa-drano rehefa notifirin’ny mpamily taxi-brousse tany akaikin’ny tanànan’i Betroka. Nivadika tanteraka araka izany ny rasa, satria ireo jiolahy indray no rifatra nitsoaka nanoloana ny zava-nitranga. Tao Ankarandoha, alohan’ny hidirana ao Betroka, no nisian’izany. Tsy nampoizin’ireo olon-dratsy mihitsy ny nanjo azy ireo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa vao lavitra dia efa hitan’ny mpamily ireo jiolahy nametraka sakana. Tsy nisalasala Ingahy mpamily fa avy hatrany dia ny azy no nataony tonga aloha. Sendra ny tsy nampoizina ireo jiolahy ka lasa nandositra. Teo anoloan’izany, nisahotaka ny mpandeha rehetra tao anatin’ilay fiara. Tsy nijanona mihitsy anefa Ingahy mpamily. Nampandre ny mpitandro filaminana izy avy eo. Ireto farany no niezaka nandeha teny amin’ilay toerana. Tsy hita teo intsony anefa ireo olona voatifitra fa efa nentin’ny namany. Ny hany azo natao dia ny nanaraka ny rà very hita tamin’ny lalana nandosiran’izy ireo.

D.R

Share This Post