Itaosy : Vehivavy niboridana nofatoran’ny olona



Jacaranda

Nolazain’ny olona fa mpamosavy ity vehivavy iray manodidina ny 30 taona. Ny anton’izany dia noho izy nitanjaka ary hita vao maraina be. Efa nitangorona ny olona, namatotra azy ary nihorakoraka. Teo amin’ny vodihazo izy no nafatotra ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga ny mpitandro ny filaminana. Teny Vinany-Itaosy no nitrangan’izany omaly vao mangiran-dratsy. Nentin’ny mpitandro ny filaminana tany amin’ny biraony ilay vehivavy ary natao ny fanadihadiana azy. Efa maro ny vehivavy niharan’izany rehefa “tratra maraina” araky ny filazan’ny olona azy. Ny olana , rehefa tonga eny amin’ny mpitandro ny filaminana izy ireny dia avotsotra fotsiny ,satria manakotaba no sady maimbo. Lazaina fa maratra dia hiantsoana  mpamonjy voina. Dia ireto farany indray mitondra eny amin’ny hopitaly ary eo anelanelan’izany dia efa toa  votsotra ho azy ny “mpamosavy”. Izy ireny anefa dia tena misy ary tsy vita mora raha tratrany. Efa betsaka ihany izay voasambotra izay, saingy mitovy amin’ny voalaza etsy ambony avokoa no niafarany : votsotra hoazy. Ny eny amin’ny fonja rahateo tsy dia mankasitra loatra ny fidiran’ny mpamosavy eny amin’ny toerana toa ireny, satria manakorotana ny gadra fotsiny. Ao anaty fehezan-dalàna famaizana anefa dia misy andinin-dalàna mifandraika tsara amin’ny resaka famosaviana.

D.R

Share This Post