Ambohimandroso : Pasitera voatafika, maty novonoin’ny jiolahy ny vadiny



Jacaranda

Ny alin’ny alatsinainy teo tamin’ny 1 ora maraina, notafihana jiolahy  valo nitondra fitaovam-piadina maro samy hafa ny tranona pasitera iray tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambodivona Andrambiazina any Ambohimandroso. Vokatr’izany, maty notsatohan’ireo olon-dratsy antsy teo amin’ny fony ny vadin’ity mpitandrina ity, nampijaliana ihany koa ny zanany vavy kely vao herintaona sy tapany monja. Nasiany antsy teo amin’ny kibony sy ny sandriny. Naratra mafy tokoa ilay zaza ary mbola tsaboina any amin’ny hopitaly. Lasan’ireo mpandroba ny vola 2 hetsy ariary mahery ,miampy fitaovana maro toy ny telefonina, vilany ary ampli. Nentiny mbamin’ny akoho.

Vao tonga tao amin’ilay toerana ireo jiolahy dia novakiany ny varavarana ary teo izy ireo no nibosesika niditra. Nisy ny nandeha tany amin’ny rihana ambony ary ny sasany nijanona taty ambany. Ny vola no nangatahany voalohany ary voalazan’ny loharanom-baovao fa tamin’io fotoana io no namonoany an’ilay vadin’ny pasitera. Tsy sahy nihetsika ny tao an-trano fa dia toa nitazam-potsiny izay nataon-dry zalahy. Ny manodidina tetsy andaniny tsy nisy nahafantatra izay niseho. Raha vao azon’ireo mpangaltra ny zavatra nilainy dia lasa nandeha izy ireo. Taorian’izay vao nilaza tamin’ny mpifanolo-bodirindrina ilay pasitera. Ny nahamaika dia ny nitondrana ilay zaza tany amin’ny hopitaly. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

r.s.

Share This Post