Tapatapany



Jacaranda

# Fitohanan’ny làlana, mila masiaka ny mpitandro ny filaminana. Ampiharina ny lalàna ary mila masiaka raha ilaina izany. Be loatra mantsy ny baranahany momba ny fifamoivoizana : ny fijanonana eny amin’ny sisin-dàlana, ny kortezin’ny manam-pahefana izay tsy maintsy mahazo làlana fotsiny tsotr’izao, ny tsy fanarahana ny fenitry ny fifamoivoizana (code de la route). Tsiahivina fa any amin’ny tany mandroso dia isan’ny fidiram-bola voalohany ho an’ny tanàna ny vola azo amin’ny sazy momba ny fifamoivoizana…

# Mahitsy, dahalo  dimy nosamborin’ny zandary. Nanao hetsika ny zandary mba ho fisamborana ireo voalaza ho mpampihorohoro ny tanàna sy ny mpangalatr’omby. Dimy no voasambotra ary nisy basy vita gasy iray sarona niaraka tamin’izy ireo.

# Soavimbahoaka, saika nifandona ny mpanao làlana sy ny mpivarotra.

# Esira, zandary iray matin’ny dahalo. Nandritra ny fifanjevoana rehefa nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana,izay nisy ity zandary ity no nahalavo an’ity farany. Mirohorohoro ny mponina any an-toerana.

D.R

 

# – BESARETY. Lehilahy maty tamin’ny fomba mampiahiahy. Raim-pianakaviana iray 48 taona no namoy ny ainy omaly maraina. Mampiahiahy ny fianakaviany ny fahafatesany, satria ny alin’io izy dia mbola naira-nisakafo tamin’ny vady aman-janany. Ny maraina anefa dia tsy nifoha intsony. Rehefa natao ny fizahana dia hita fa potika tanteraka ny taovan’ity rangahy ity. Manahy ny fanapoizinana azy ny fianakaviany.

# – ITAOSY. Olona tsy salama saina maty voadonan’ny fiara. Lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ny làlan’Itaosy iny. Tsy afa niala intsony ny mpamily ka voadonany tsy nahy ny olona iray izay voalaza fa tsy salama saina. Maty tsy tra-drano  ity farany ary nalefa eny amin’ny HJRA ny razana.

Share This Post