Ihorombe – Andiolava : 10 lahy nanafika ny komandàn’ny zandary



Jacaranda

Andian-jiolahy nironga basy “ kalach” no fantatra fa nanafika ny tranon’ny komandin’ny zandary ao Andiolava any Ihorombe tamin’ny alin’ny alatsinainy teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tsy tao an-toerana ilay “commandant de brigade” tamin’io fotoana io,fa lasa tany Fianarantsoa. Ireo vady aman-janany sy ny mpanampy no tratran’ireo jiolahy. Nopoirin’izy ireo ny varavarana dia teo izy no niditra. Tsy nisy sahy nihetsika ny rehetra raha nahita ny basy teny amin’ireo mpandroba. Notereny ilay ramatoa tompon-trano hamoaka ny vola ary dia tsy afaka nanao na inona na iona fa nanome izany. Lasany ny 4 hetsy ariary, ny firavaka volamena sy ny entana rehetra tao an-trano. Marihana fa manana hotely koa ity fianakaviana ity. Raha vao azon-dry zalahy izay nilainy dia lasa nandeha izy ireo. Nampilaza tamin’ny mpitandro filaminana hafa tao an-toerana ireo voatafika. Raikitra ny fifanenjehana. Nahitana vokany izany,satria olona telo sy fiara iray no efa eo am-pelatanan’ny zandary amin’izao fotoana izoa. Mbola karohina kosa ny naman’ireo mpandroba.

r.s.

Share This Post