Andavamamba : Tokantrano telo voatafika



Jacaranda

Ny alin’ny alakamsiy hifoha zoma, tokantrano telo tao amina trano lehibe iray eny Andavamamba no notafihan’ny jiolahy roa nirongo basy sy nanao saron-tava. Araka ny loharanom-baovao, nihanika tamboho ireo mpandroba ireo ary rehefa tao an-tokotany ry zalahy dia nopitsohiny ny varavarana fidirana. Nivantana tao amina efitra iray izy ireo. Tsy nisy olona anefa tao ka niala nandeha tao amin’ny tokantrano faharoa ireo mpangalatra. Raha vao tafiditra izy rolahay dia nambanany basy ireo olona tao ary tsy nisy sahy nihetska. Naorin’izy ireo ny entana rehetra azony nalaina tao, toy ny televiziona, fanamafisam-peo, ary tsy nohadinoiny ny nitondra ny telefonina rehetra. Rehefa azony izany dia nifindra tao amina efitra iray hafa indray ireo olon-dratsy. Izay azony nentina dia nalaina daholo, na lamba izany na vola, indrindra fa ny firavaka volamena. Ny nahagaga tamin’ity fandrobana ity, ireo izay tsy mbola voatafika dia tsy nisy nahare ny fahatongavan’ireo jiolahy; Rehefa azon’izy ireo ireo zavatra rehetra ireo dia lasa niala ny toerana avy hatrany izy ireo. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana mikasika ity halatra ity.

Toa tsy mandingana andro mihitsy ny halatra sy ny vaky trano eto an-drenivohitra. Saika isaky ny alina mantsy dia handrenesana vaovao hatrany mikasika izany.

r.s.

Share This Post