Ambatondrazaka : Miakatra renivohitra ny dahalo



Jacaranda

Efa tena fahasahiana tsy misy ohatra an’izany tokoa ny an’ny ny mpangalatra omby amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’ny any an-tsaha any ihany ry zalahy no mangalatra omby fa tonga miakatra ny renivohitra mihitsy. Tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa iny, lasan’izy ireo ny omby vositra miisa enina tao amin’ny fokontany Antanifotsy, ao an-tanànan’Ambatondrazaka. Tsy nisy nahare ny fahatongavan’izy ireo. Ny mponina koa tsy nisy nanampo fa ho sahy hiaka-bohitra sahala amin’izao izy ireo. Fito ny omby tao anaty vala ka vavy ny iray. Teny an-dalana, niverina ho azy ilay omby vavy niteraka.

Janus

Share This Post