Toamasina : Fifampitifirana nandritra ny 30 minitra, olona dimy maratra mafy



Jacaranda

Tonga hividy barika « plastique » izay tsy fantatra izay hilainy azy ny olona miisa valo. Nandray ny handraikiny avy hatrany ny mpitandro filaminana

Omaly hariva tokony ho tamin’ny 7 ora, raikitra ny fifampitifirana tany Toamasina na ny marina kokoa teo anelanelan’ny Château d’eau sy ny bazarikely manolona ny Trano Avo.  Vokatr’izany, olona dimy no voan’ny bala ka ny telo mpivarotra barika teo an-toerana ihany, ary ny roa hafa tamin’ireo nahiana fa olon-dratsy. Ankoatra izany dia nisy olona enina voasambotra ka roa tamin’ireo maratra. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa efa nisy olona nampiahiahy ny mpitandro filaminana nivezivezy tao an-tananan’i Toamasina andro maromaro izay. Efa nisy araka izany mpitandro filaminana nanao akanjo tsotra nanaraka azy ireo. Marihina fa nitondra fiara 4X4 fotsy ireo olona noahiahiana ireo.  Tamin’ny ora voalaza nandeha teny amin’ny Trano Avo izy ireo hividy barika. Nivoaka ny fiara ny roalahy. Rehefa nijery anefa izy ireo dia nilaza fa tsy mety aminy ny barika vy fa « plastique » no tadiaviny. Dia lasa niverina niditra ny fiara izy ireo. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nasain’ireo mpitandro filaminana nijanona izy ireo. Toa tsy nanaiky anefa ry zalahy fa avy hatrany dia sahy nifanandrina tamin’ireo mpitandro filaminana ireo. Raikitra teo ny fifampitifirana ary voalazan’ireo olona teny amin’ilay toerana fa naharitra hatrany amin’ny antsasakadiny izany. Feom-basy samy hafa firefotra ny re tamin’izay, hoy ihany ny vaovao. Samy nandositra nanavotra aina ny rehetra. Tamin’izany indridnra anefa no voalaza fa nisy tamin’ireo mpivarotra barika niantefan’ny bala. Ny iray lehilahy izay voa teo amin’ny tendany. Nisy vehivavy iray teo amin’ny masony ary nisy fahatelo izay avy hatrany dia nisy nitondra tany amin’ny hopitaly. Ny loharanom-baovao hatrany no hilazana fa ny vaovao farany re momba azy ireo dia toa hoe maty avokoa ry zareo. Ho hita eo ihany moa izay fahamarinan’izany.

Ity fifampitifirana ity dia niseho teo amin’ny toerana antsoina ‘Rue D’Arcole”. Mbola vory maro tokoa ny rehetra tamin’izay. Maro ireo nifamezivezy ary tsy vitsy ireo izay mandeha manao bazary. Re teny an-toerana tamin’izany fa ireo olona saika hividy barika dia voatondro ho anisan’ireo naka an-keriny ilay karana andro maro lasa izay. Dia mipetraka ny fanontaniana, saika hataony inona ilay barika “plastique”.  Etsy andaniny, tsy mbola nahitana mangirana ny ami’ilay olona nalaina an-keriny hatramin’izao fotoana izao. Ny hany fantatra aloha, araka ny loharanom-baovao hatrany, tamin’ny fotoana nangalan’ireo olon-dratsy azy, nisy ny basy nipoaka ary nisy nahita fa nianjera tamin’ny tany izy. Etsy ankilany, tsy handrenesam-peo aloha hatramin’izao ny fianakaviana.

JCS/r.s.

Share This Post