Anosibe : Lehilahy notifirin’ny jiolahy teo amin’ny tarehiny

Jacaranda

Nitifitra indray ny jiolahy ary nandratra olona. Lehilahy iray monina etsy Anosibe no niharan’izany habibiana izany ny asabotsy hifoha alahady teo. Telo lahy  ireo olon-dratsy nanafika raha ny fanamarihan’ny mpitandro ny filaminana,izay nanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity. Niditra avy hatrany tao an-trano ireo rehefa avy nanapitsoka ny varavarana. Tsy nisy afa-nihetsika intsony ny iray trano,satria basy avy hatrany no navoakan’ireo telo lahy. Norahonan’ireto farany hamoaka ny vola rehetra ao an-trano ireo olona. Niezaka nanazava ny lehilahy iray fa tsy misy vola izany ao an-trano. Tsy niandry ela ny valin-kafatra, satria vao tapitra izany dia nipoaka avy hatrany ny basy. Amin’izay indray teny amin’ny tarehiny  no nokendren’ny jiolahy. Mainka koa nikorontana ny tao an-trano nahita an’izany ,saingy afaka hanao inona moa manoloana ny olona “romotra”  miaraka amin’ny basy. Ireny” lecteur CD” ireny miaraka amin’ny kojakojan-tokantrano  sendra ny masony teo no lasan’ireo olon-dratsy nandritr’ity fanafihana ity. Mbola tsaboina eo amin’ny hopitaly hatramin’ny omaly ilay lehilahy voatifitra. Mba tsy nahazo ny lohany ny bala fa tany amin’ny faritra manodidina ny vavany, izay no tsy nahalavo azy, raha araka ny vaovao azo momba ity raharaha ity. Maro loatra ny olona mizaka ny herisetran’ny jiolahy mitam-basy. Raha mbola baranahiny toa izao ny fanadihadiana momba ireny basy miparitaka eto amintsika ireny, raha mbola tsy saziana ireo mpitandro ny filaminana izay matetika hiavian’ireny dia tsy hisy filaminana azo eritreretina eto an-drenivohitra. Efa manao izay ho afany ihany ny BC etsy Anosy amin’ny fanadihadiana, saingy raha mbola marefo ny fitsarana sy ny sehatra hafa, izay tokony hisahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny basy dia mandeha ila ihany ny ezaka…

D.R

Share This Post