Novonoim-badiny : Karana vavy nentina teny amin’ny hopitaly

Jacaranda

Nentina teny amin’ny hopitaly izy rehefa voadaroky ny vadiny. Karana vavy iray, renim-pianakaviana, no niharan’izany. Ny tena antony raha araka ny vaovao azo dia sady mampirafy ilay vadiny no mbola mamono ihany koa. Efa nandritra ny telo taona no nanana olon-tiana ivelan’ny tokantrano ilay rangahy, raha ny tantara tsotsotra. Niaritra izany hatrany ilay vadiny. Niitatra anefa ny fifandraisan’izy mivady vokatry ny zava-misy ary tonga hatrany amin’ny fikasihan-tànana. Omaly dia naratra sy mangana ilay karàna vavy vokatr’izany. Tapaka amin’izay ny heviny ny hitondra ny raharaha eny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Raha ny fantatra dia anio izy no hametraka ny fitoriany eny amin’ny pôlisy, raha tsy misy indray ny fiovana. Matetika mantsy rehefa tratran’ny fandrahonana na koa ny mifanohitra amin’izay,  dia maro ny vehivavy no miova hevitra sy miverina any amin’ny fandeferana. Raha ny zava-misy aza dia mety ho izay no nahatonga ity ramatoa ity tsy nampiakatra ny raharaha nandritr’izay telo taona izay. Fikambanana iray izay miahy ny vehivavy niharan’ny vono sy daroka ao an-tokantrano no nanazava fa tsy mifidy sarangan’olona sy fiaviana ny toa izany. Nentin’izy ireo nanaporofo an’izany ny fisian’ny vadina mpitsara sy vadina jeneraly ao anatin’ny lisitr’ireo mitaraina. Midika izany fa tsy ny fahantrana fotsiny ihany no mety ho mitarika ny herisetra ao an-tokantrano. Ankehitriny dia efa misy ny rafitra miady amin’io karazana herisetra io. Miainga any amin’ny fokontany izany ary manamora ny fampiakarana ny raharaha eo anivon’ny manampahefana no tena tanjon’izany rafitra izany. Mety ho  azo heverina ve anefa ny hoe sahy mitory ny vadiny hatramin’ny farany ireo renim-pianakaviana. Raha ny marina mantsy dia mampigadra avy hatrany ny fikasihan’ny lehilahy tànana vehivavy ary indrindra koa raha voaporofo ny fampirafesana ataony.

D.R

Share This Post