Toliara : Iray maty voatifitra, 14 voasambotra

Jacaranda
Raikitra ny fifampitifirana nandritra ny fanenjehana ireo olon-dratsy. (sary tahiry)
Raikitra ny fifampitifirana nandritra ny fanenjehana ireo olon-dratsy. (sary tahiry)

Nahitam-bokany indray ny ezaka sy ny hetsiky ny polisy tao Toliara,amin’ny famongorana ireo olon-dratsy vokatry ny fiaraha-miasa matotra tamin’ny fokonolona. Ny alarobia lasa teo dia jiolahy 14 ao anaty tambazotra matanjaka roa no voasambotra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy sy ny maro hafa. Malaza ratsy amin’ny famakiana trano sy ny fandrobana fananan’olona ireto jiolahy ireto ary tokantrano sy olona maro no efa nitondra faisana. Tsy vitan’ny mangalatra sy mandroba ary manendaka fotsiny izy ireo, fa mahavita mandatsaka ain’olona mihitsy,rehefa tsy mahazo fahafaham-po mandritra ny fanafihana. Araka ny fantatra dia efa maro ny fanafihana nandraisan’izy ireo anjara ary tsy vitsy ihany koa ireo olona  no maty, noho ny habibiana nataon’izy ireo mandritra izany.

Valo lahy no indray tra-tehaka fa iray kosa lavon’ny balan’ny Polisy nandritra ny fifanenjehana. Mbola voasambotra tamin’io andro io ihany koa ny fito lahy hafa. Ireto farany izay malaza ratsy amin’ny fanaovana sinto-mahery sy fanendahana, indrindra amin’ny andro hariva. Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisy tany amin’ireo toerana heverina ho mafampana no nahatratrarana azy fito lahy ireto, araka ny loharanom-baovao voaray akaiky ny mpitandro filaminana.

Manitrisa

Share This Post