Ambohimahitsy : Fivarotana telo voatafika, jiolahy iray voasambotra

Ny alahady hariva tokony ho tany amin’ny 7 ora sy sasany tany, nisy jiolahy l efatra tonga nanafika fivarotana telo teny amin’ny faritra Ambohimahitsy tsy lavitra an’i Mahatazana. Tamin’ny fomba feno fahasahiana tokoa no nanaovan’ireto mpandroba ity fanafihana ity. Fotoana mbola maha be olona iny teorana iny mantsy no tonga izy ireo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa toa hoe nisy basy teny aminy. Raha nahita izany ny mpivarotra dia toa tsy nisy sahy nihetsika. Niditra tamin’ny trano voalahy izy ireo dia ny vola no nalainy. Sahala izany ihany koa ny tao amin’ilay fivarotana faharoa. Nifindra tao amin’ilay fahatelo izy ireo. Efa samy nahafantatra ny fanadehan-javatra anefa ny mponina ka dia raikitra ny fitsofana sifle sy ny famelomana lakolosy. Raha nahare izany ireo jiolahy dia rifatra nandositra. Voalazan’ny vaovao hatrany fa tamin’izay fotoana izay dia nisy zavatra napoakany. Rehefa nojerena hay tsipoapoaka no natsipin-dry zalahy nampitahorana ny olona. Efa raikitra  ny fanenjehana azy ireo. Vokany, voasambotra ny iray. Ireo sisa kosa tafaporitsaka. Tsy fantatra aloha hatramin’izao, araka izany na basy tena izy na kilalao no teny amin’ireto mpangalatra ireto. Efa tonga tney an-toerana ihany koa ny zandary.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication