Ambohimailala : Misy resa-bola ao ambadikany

Mandroso hatrany ny fanadihadiana na dia mbola tsy hita aza ilay tovovavy ,izay andrandraina ho vavolombelona amin’ity raharaha ity. Raha araka ny fantatra dia misy resaka vola nalaina tany amin’ny faritra tao anatin’ity raharaha ity. Noterena hanome vola ny mpandraharaha karàna iray noho ny antony  tsy mbola voafaritra mazava aloha hatreto. Miompana amin’izay rahateo ny fanadihadiana etsy Anosy raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Nisy olona fito izy ireo no niaraka nandeha tany amin’ny faritra ary heverina fa nanatontosa an’ilay antony voalaza etsy ambony. Heverina nisy fifampizarana vola izany teny ampovoany teny ary io rahateo no tena heverin’ny mpanao fanadihadiana fa mety ho anton’ny famonoana. Raha mitombina izany dia nokendrena ny vola teny amin’ny iray tamin’ny maty ary niafara tamin’ny famonoana ho faty azy izany. Omaly dia efa nisy olona telo nanatona ny pôlisy misahana ny fanadihadiana ity heloka bevava ity. Efa mananontanona arak’izany ny hamantarana izay antony namonoana ireo olona telo izay mbola samy tanora avokoa. Raha ny fiheverana an’ity raharaha ity dia ao anatin’ny sehatra “facebook” no isan’ny tena tokony handehanan’ny fanadihadiana. Tao avokoa mantsy no nisian’ny fifanomezana fotoana teo amin’ny vondron’olona, izay efa voaporofo fa niaraka ny asabotsy farany izay nahitàna ireo olona telo, talohan’ny famonoana azy ireo. Miha-mazava ny resaka, saingy mbola lalina kosa ny fanadihadiana miandry ny etsy Anosy mba hentina hahazoana porofo mivaingana. Resa-bola, fitiavana ary lonilony, mivona eo amin’ireo teboka telo ireo aloha hatreto ny fironan’ny fanadihadiana.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication